Matthew 24

Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
耶稣出了圣殿,正走的时候,门徒进前来,把殿宇指给他看。
Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
耶稣对他们说:你们不是看见这殿宇吗?我实在告诉你们,将来在这里没有一块石头留在石头上,不被拆毁了。
Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.
耶稣在橄榄山上坐著,门徒暗暗的来说:请告诉我们,什么时候有这些事?你降临和世界的末了有什么豫兆呢?
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
耶稣回答说:你们要谨慎,免得有人迷惑你们。
Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
因为将来有好些人冒我的名来,说:我是基督,并且要迷惑许多人。
Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
你们也要听见打仗和打仗的风声,总不要惊慌;因为这些事是必须有的,只是末期还没有到。
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
民要攻打民,国要攻打国;多处必有饥荒、地震。
Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
这都是灾难(灾难:原文是生产之难)的起头。
Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
那时,人要把你们陷在患难里,也要杀害你们;你们又要为我的名被万民恨恶。
Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
那时,必有许多人跌倒,也要彼此陷害,彼此恨恶;
Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
且有好些假先知起来,迷惑多人。
Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.
只因不法的事增多,许多人的爱心才渐渐冷淡了。
Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
惟有忍耐到底的,必然得救。
Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
这天国的福音要传遍天下,对万民作见证,然后末期才来到。
Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),
你们看见先知但以理所说的那行毁坏可憎的站在圣地(读这经的人须要会意)。
dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
那时,在犹太的,应当逃到山上;
ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
在房上的,不要下来拿家里的东西;
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
在田里的,也不要回去取衣裳。
Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!
当那些日子,怀孕的和奶孩子的有祸了。
Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.
你们应当祈求,叫你们逃走的时候,不遇见冬天或是安息日。
Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
因为那时必有大灾难,从世界的起头直到如今,没有这样的灾难,后来也必没有。
Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
若不减少那日子,凡有血气的总没有一个得救的;只是为选民,那日子必减少了。
Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo.
那时,若有人对你们说:基督在这里,或说:基督在那里,你们不要信!
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
因为假基督、假先知将要起来,显大神迹、大奇事,倘若能行,连选民也就迷惑了。
Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
看哪,我预先告诉你们了。
Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.
若有人对你们说:看哪,基督在旷野里,你们不要出去!或说:看哪,基督在内屋中,你们不要信!
Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
闪电从东边发出,直照到西边。人子降临,也要这样。
Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.
尸首在那里,鹰也必聚在那里。
Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
那些日子的灾难一过去,日头就变黑了,月亮也不放光,众星要从天上坠落,天势都要震动。
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
那时,人子的兆头要显在天上,地上的万族都要哀哭。他们要看见人子,有能力,有大荣耀,驾著天上的云降临。
Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
他要差遣使者,用号筒的大声,将他的选民,从四方(方:原文是风),从天这边到天那边,都招聚了来。
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
你们可以从无花果树学个比方:当树枝发嫩长叶的时候,你们就知道夏天近了。
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.
这样,你们看见这一切的事,也该知道人子近了,正在门口了。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
我实在告诉你们,这世代还没有过去,这些事都要成就。
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
天地要废去,我的话却不能废去。
Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
那日子,那时辰,没有人知道,连天上的使者也不知道,子也不知道,惟独父知道。
Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.
挪亚的日子怎样,人子降临也要怎样。
Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara,
当洪水以前的日子,人照常吃喝嫁娶,直到挪亚进方舟的那日;
ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
不知不觉洪水来了,把他们全都冲去。人子降临也要这样。
Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
那时,两个人在田里,取去一个,撇下一个。
Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
两个女人推磨,取去一个,撇下一个。
Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.
所以,你们要儆醒,因为不知道你们的主是那一天来到。
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
家主若知道几更天有贼来,就必儆醒,不容人挖透房屋;这是你们所知道的。
Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.
所以,你们也要预备,因为你们想不到的时候,人子就来了。
Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?
谁是忠心有见识的仆人,为主人所派,管理家里的人,按时分粮给他们呢?
Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
主人来到,看见他这样行,那仆人就有福了。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
我实在告诉你们,主人要派他管理一切所有的。
Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
倘若那恶仆心里说:我的主人必来得迟,
ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,
就动手打他的同伴,又和酒醉的人一同吃喝。
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany,
在想不到的日子,不知道的时辰,那仆人的主人要来,
dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
重重的处治他(或作:把他腰斩了),定他和假冒为善的人同罪;在那里必要哀哭切齿了。