Matthew 21

Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe:
耶稣和门徒将近耶路撒冷,到了伯法其,在橄榄山那里。
Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.
耶稣就打发两个门徒,对他们说:你们往对面村子里去,必看见一匹驴拴在那里,还有驴驹同在一处;你们解开,牵到我这里来。
Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy.
若有人对你们说什么,你们就说:主要用牠。那人必立时让你们牵来。
Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
这事成就是要应验先知的话,说:
Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9).
要对锡安的居民(原文是女子)说:看哪,你的王来到你这里,是温柔的,又骑著驴,就是骑著驴驹子。
Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy,
门徒就照耶稣所吩咐的去行,
dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.
牵了驴和驴驹来,把自己的衣服搭在上面,耶稣就骑上。
Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.
众人多半把衣服铺在路上;还有人砍下树枝来铺在路上。
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
前行后随的众人喊著说:和散那(原有求救的意思,在此是称颂的话)归于大卫的子孙!奉主名来的是应当称颂的!高高在上和散那!
Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?
耶稣既进了耶路撒冷,合城都惊动了,说:这是谁?
Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
众人说:这是加利利拿撒勒的先知耶稣。
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
耶稣进了 神的殿,赶出殿里一切作买卖的人,推倒兑换银钱之人的桌子,和卖鸽子之人的凳子;
dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).
对他们说:经上记著说:我的殿必称为祷告的殿,你们倒使他成为贼窝了。
Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy.
在殿里有瞎子、瘸子到耶稣跟前,他就治好了他们。
Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy
祭司长和文士看见耶稣所行的奇事,又见小孩子在殿里喊著说:和散那归于大卫的子孙!就甚恼怒,
ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain'ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)?
对他说:这些人所说的,你听见了吗?耶稣说:是的。经上说你从婴孩和吃奶的口中,完全了讚美的话,你们没有念过吗?
Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy.
于是离开他们,出城到伯大尼去,在那里住宿。
Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana.
早晨回城的时候,他饿了,
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.
看见路旁有一棵无花果树,就走到跟前,在树上找不著什么,不过有叶子,就对树说:从今以后,你永不结果子。那无花果树就立刻枯干了。
Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io?
门徒看见了,便希奇说:无花果树怎么立刻枯干了呢?
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
耶稣回答说:我实在告诉你们,你们若有信心,不疑惑,不但能行无花果树上所行的事,就是对这座山说:你挪开此地,投在海里!也必成就。
Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
你们祷告,无论求什么,只要信,就必得著。
Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
耶稣进了殿,正教训人的时候,祭司长和民间的长老来问他说:你仗著什么权柄做这些事?给你这权柄的是谁呢?
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany:
耶稣回答说:我也要问你们一句话,你们若告诉我,我就告诉你们我仗著什么权柄做这些事。
Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
约翰的洗礼是从那里来的?是从天上来的?是从人间来的呢?他们彼此商议说:我们若说从天上来,他必对我们说:这样,你们为什么不信他呢?
Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.
若说从人间来,我们又怕百姓,因为他们都以约翰为先知。
Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.
于是回答耶稣说:我们不知道。耶稣说:我也不告诉你们我仗著什么权柄做这些事。
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio.
又说:一个人有两个儿子。他来对大儿子说:我儿,你今天到葡萄园里去做工。
Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany.
他回答说:我不去,以后自己懊悔,就去了。
Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
又来对小儿子也是这样说。他回答说:父啊,我去,他却不去。
Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
你们想,这两个儿子是那一个遵行父命呢?他们说:大儿子。耶稣说:我实在告诉你们,税吏和娼妓倒比你们先进 神的国。
Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
因为约翰遵著义路到你们这里来,你们却不信他;税吏和娼妓倒信他。你们看见了,后来还是不懊悔去信他。
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
你们再听一个比喻:有个家主栽了一个葡萄园,周围圈上篱笆,里面挖了一个压酒池,盖了一座楼,租给园户,就往外国去了。
Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.
收果子的时候近了,就打发仆人到园户那里去收果子。
Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
园户拿住仆人,打了一个,杀了一个,用石头打死一个。
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
主人又打发别的仆人去,比先前更多;园户还是照样待他们。
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
后来打发他的儿子到他们那里去,意思说:他们必尊敬我的儿子。
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
不料,园户看见他儿子,就彼此说:这是承受产业的。来吧,我们杀他,占他的产业!
Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
他们就拿住他,推出葡萄园外,杀了。
Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
园主来的时候要怎样处治这些园户呢?
Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'ny fotoany avy.
他们说:要下毒手除灭那些恶人,将葡萄园另租给那按著时候交果子的园户。
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).
耶稣说:经上写著:匠人所弃的石头已作了房角的头块石头。这是主所做的,在我们眼中看为希奇。这经你们没有念过吗?
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
所以我告诉你们, 神的国必从你们夺去,赐给那能结果子的百姓。
Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
谁掉在这石头上,必要跌碎;这石头掉在谁的身上,就要把谁砸得稀烂。
Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.
祭司长和法利赛人听见他的比喻,就看出他是指著他们说的。
Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
他们想要捉拿他,只是怕众人,因为众人以他为先知。