Matthew 20

Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
因为天国好像家主清早去雇人进他的葡萄园做工,
Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.
和工人讲定一天一钱银子,就打发他们进葡萄园去。
Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
约在巳初出去,看见市上还有闲站的人,
ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
就对他们说:你们也进葡萄园去,所当给的,我必给你们。他们也进去了。
Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
约在午正和申初又出去,也是这样行。
Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
约在酉初出去,看见还有人站在那里,就问他们说:你们为什么整天在这里闲站呢?
Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.
他们说:因为没有人雇我们。他说:你们也进葡萄园去。
Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
到了晚上,园主对管事的说:叫工人都来,给他们工钱,从后来的起,到先来的为止。
Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
约在酉初雇的人来了,各人得了一钱银子。
Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
及至那先雇的来了,他们以为必要多得;谁知也是各得一钱。
Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
他们得了,就埋怨家主说:
Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
我们整天劳苦受热,那后来的只做了一小时,你竟叫他们和我们一样吗?
Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
家主回答其中的一人说:朋友,我不亏负你,你与我讲定的不是一钱银子吗?
Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
拿你的走吧!我给那后来的和给你一样,这是我愿意的。
Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
我的东西难道不可随我的意思用吗?因为我作好人,你就红了眼吗?
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
这样,那在后的,将要在前;在前的,将要在后了。(有古卷在此有:因为被召的人多,选上的人少。)
Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
耶稣上耶路撒冷去的时候,在路上把十二个门徒带到一边,对他们说:
Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
看哪,我们上耶路撒冷去,人子要被交给祭司长和文士。他们要定他死罪,
ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
又交给外邦人,将他戏弄,鞭打,钉在十字架上;第三日他要复活。
Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
那时,西庇太儿子的母亲同他两个儿子上前来拜耶稣,求他一件事。
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
耶稣说:你要什么呢?她说:愿你叫我这两个儿子在你国里,一个坐在你右边,一个坐在你左边。
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
耶稣回答说:你们不知道所求的是什么;我将要喝的杯,你们能喝么?他们说:我们能。
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
耶稣说:我所喝的杯,你们必要喝;只是坐在我的左右,不是我可以赐的,乃是我父为谁预备的,就赐给谁。
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
那十个门徒听见,就恼怒他们弟兄二人。
Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
耶稣叫了他们来,说:你们知道外邦人有君王为主治理他们,有大臣操权管束他们。
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
只是在你们中间,不可这样;你们中间谁愿为大,就必作你们的用人;
ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
谁愿为首,就必作你们的仆人。
Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
正如人子来,不是要受人的服事,乃是要服事人,并且要舍命,作多人的赎价。
Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.
他们出耶利哥的时候,有极多的人跟随他。
Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
有两个瞎子坐在路旁,听说是耶稣经过,就喊著说:主啊,大卫的子孙,可怜我们吧!
Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
众人责备他们,不许他们作声;他们却越发喊著说:主啊,大卫的子孙,可怜我们吧!
Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
耶稣就站住,叫他们来,说:要我为你们做什么?
Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
他们说:主啊,要我们的眼睛能看见!
Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
耶稣就动了慈心,把他们的眼睛一摸,他们立刻看见,就跟从了耶稣。