Matthew 18

Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?
当时,门徒进前来,问耶稣说:天国里谁是最大的?
Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
耶稣便叫一个小孩子来,使他站在他们当中,
ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
说:我实在告诉你们,你们若不回转,变成小孩子的样式,断不得进天国。
Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
所以,凡自己谦卑像这小孩子的,他在天国里就是最大的。
Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
凡为我的名接待一个像这小孩子的,就是接待我。
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
凡使这信我的一个小子跌倒的,倒不如把大磨石拴在这人的颈项上,沉在深海里。
Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
这世界有祸了,因为将人绊倒;绊倒人的事是免不了的,但那绊倒人的有祸了!
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.
倘若你一只手,或是一只脚,叫你跌倒,就砍下来丢掉。你缺一只手,或是一只脚,进入永生,强如有两手两脚被丢在永火里。
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
倘若你一只眼叫你跌倒,就把它剜出来丢掉。你只有一只眼进入永生,强如有两只眼被丢在地狱的火里。
Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.
你们要小心,不可轻看这小子里的一个;我告诉你们,他们的使者在天上,常见我天父的面。(有古卷在此有
(Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.)
人子来,为要拯救失丧的人。)
Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
一个人若有一百只羊,一只走迷了路,你们的意思如何?他岂不撇下这九十九只,往山里去找那只迷路的羊吗?
Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
若是找著了,我实在告诉你们,他为这一只羊欢喜,比为那没有迷路的九十九只欢喜还大呢!
Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.
你们在天上的父也是这样,不愿意这小子里失丧一个。
Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
倘若你的弟兄得罪你,你就去,趁著只有他和你在一处的时候,指出他的错来。他若听你,你便得了你的弟兄;
fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).
他若不听,你就另外带一两个人同去,要凭两三个人的口作见证,句句都可定准。
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
若是不听他们,就告诉教会;若是不听教会,就看他像外邦人和税吏一样。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
我实在告诉你们,凡你们在地上所捆绑的,在天上也要捆绑;凡你们在地上所释放的,在天上也要释放。
Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
我又告诉你们,若是你们中间有两个人在地上同心合意的求什么事,我在天上的父必为他们成全。
Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
因为无论在那里,有两三个人奉我的名聚会,那里就有我在他们中间。
Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
那时,彼得进前来,对耶稣说:主啊,我弟兄得罪我,我当饶恕他几次呢?到七次可以吗?
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
耶稣说:我对你说,不是到七次,乃是到七十个七次。
Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
天国好像一个王要和他仆人算帐。
Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
才算的时候,有人带了一个欠一千万银子的来。
Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
因为他没有什么偿还之物,主人吩咐把他和他妻子儿女,并一切所有的都卖了偿还。
Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
那仆人就俯伏拜他,说:主啊,宽容我,将来我都要还清。
Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
那仆人的主人就动了慈心,把他释放了,并且免了他的债。
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
那仆人出来,遇见他的一个同伴欠他十两银子,便揪著他,掐住他的喉咙,说:你把所欠的还我!
Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
他的同伴就俯伏央求他,说:宽容我吧,将来我必还清。
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
他不肯,竟去把他下在监里,等他还了所欠的债。
Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
众同伴看见他所做的事就甚忧愁,去把这事都告诉了主人。
Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;
于是主人叫了他来,对他说:你这恶奴才!你央求我,我就把你所欠的都免了,
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
你不应当怜恤你的同伴,像我怜恤你吗?
Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
主人就大怒,把他交给掌刑的,等他还清了所欠的债。
Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.
你们各人若不从心里饶恕你的弟兄,我天父也要这样待你们了。