Matthew 11

Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.
耶稣吩咐完了十二个门徒,就离开那里,往各城去传道,教训人。
Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
约翰在监里听见基督所作的事,就打发两个门徒去,
hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
问他说:那将要来的是你吗?还是我们等候别人呢?
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
耶稣回答说:你们去,把所听见,所看见的事告诉约翰。
Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
就是瞎子看见,瘸子行走,长大痲疯的洁净,聋子听见,死人复活,穷人有福音传给他们。
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
凡不因我跌倒的就有福了!
Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
他们走的时候,耶稣就对众人讲论约翰说:你们从前出到旷野是要看什么呢?要看风吹动的芦苇么?
Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
你们出去到底是要看什么?要看穿细软衣服的人么?那穿细软衣服的人是在王宫里。
Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
你们出去究竟是为什么?是要看先知么?我告诉你们,是的,他比先知大多了。
Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
经上记著说:我要差遣我的使者在你前面预备道路,所说的就是这个人。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
我实在告诉你们,凡妇人所生的,没有一个兴起来大过施洗约翰的;然而天国里最小的比他还大。
Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
从施洗约翰的时候到如今,天国是努力进入的,努力的人就得著了。
Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
因为众先知和律法说预言,到约翰为止。
Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
你们若肯领受,这人就是那应当来的以利亚。
Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
有耳可听的,就应当听!
Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
我可用什么比这世代呢?好像孩童坐在街市上招呼同伴,说:
Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
我们向你们吹笛,你们不跳舞;我们向你们举哀,你们不捶胸。
Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
约翰来了,也不吃也不喝,人就说他是被鬼附著的;
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.
人子来了,也吃也喝,人又说他是贪食好酒的人,是税吏和罪人的朋友。但智慧之子总以智慧为是(有古卷:但智慧在行为上就显为是)。
Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
耶稣在诸城中行了许多异能,那些城的人终不悔改,就在那时候责备他们,说:
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
哥拉汛哪,你有祸了!伯赛大啊,你有祸了!因为在你们中间所行的异能,若行在泰尔、西顿,他们早已披麻蒙灰悔改了。
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
但我告诉你们,当审判的日子,泰尔、西顿所受的,比你们还容易受呢!
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
迦百农啊,你已经升到天上(或作:你将要升到天上吗),将来必坠落阴间;因为在你那里所行的异能,若行在所多玛,它还可以存到今日。
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
但我告诉你们,当审判的日子,所多玛所受的,比你还容易受呢!
Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
那时,耶稣说:父啊,天地的主,我感谢你!因为你将这些事向聪明通达人就藏起来,向婴孩就显出来。
Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
父啊,是的,因为你的美意本是如此。
Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
一切所有的,都是我父交付我的;除了父,没有人知道子;除了子和子所愿意指示的,没有人知道父。
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
凡劳苦担重担的人可以到我这里来,我就使你们得安息。
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.
我心里柔和谦卑,你们当负我的轭,学我的样式;这样,你们心里就必得享安息。
Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
因为我的轭是容易的,我的担子是轻省的。