Matthew 10

Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
耶稣叫了十二个门徒来,给他们权柄,能赶逐污鬼,并医治各样的病症。
Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
这十二使徒的名:头一个叫西门、又称彼得,还有他兄弟安得烈,西庇太的儿子雅各和雅各的兄弟约翰,
Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
腓力和巴多罗买,多马和税吏马太,亚勒腓的儿子雅各,和达太,
sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
奋锐党的西门,还有卖耶稣的加略人犹大。
Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,
耶稣差这十二个人去,吩咐他们说:外邦人的路,你们不要走;撒马利亚人的城,你们不要进;
fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
宁可往以色列家迷失的羊那里去。
Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
随走随传,说天国近了!
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
医治病人,叫死人复活,叫长大痲疯的洁净,把鬼赶出去。你们白白的得来,也要白白的舍去。
Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,
腰袋里不要带金银铜钱。
na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
行路不要带口袋;不要带两件褂子,也不要带鞋和柺杖。因为工人得饮食是应当的。
Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
你们无论进那一城,那一村,要打听那里谁是好人,就住在他家,直住到走的时候。
Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
进他家里去,要请他的安。
Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
那家若配得平安,你们所求的平安就必临到那家;若不配得,你们所求的平安仍归你们。
Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.
凡不接待你们、不听你们话的人,你们离开那家,或是那城的时候,就把脚上的尘土跺下去。
Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.
我实在告诉你们,当审判的日子,所多玛和蛾摩拉所受的,比那城还容易受呢!
Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
我差你们去,如同羊进入狼群;所以你们要灵巧像蛇,驯良像鸽子。
Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;
你们要防备人;因为他们要把你们交给公会,也要在会堂里鞭打你们,
ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.
并且你们要为我的缘故被送到诸侯君王面前,对他们和外邦人作见证。
Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
你们被交的时候,不要思虑怎样说话,或说什么话。到那时候,必赐给你们当说的话;
Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
因为不是你们自己说的,乃是你们父的灵在你们里头说的。
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
弟兄要把弟兄,父亲要把儿子,送到死地;儿女要与父母为敌,害死他们;
Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
并且你们要为我的名被众人恨恶。惟有忍耐到底的必然得救。
Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
有人在这城里逼迫你们,就逃到那城里去。我实在告诉你们,以色列的城邑,你们还没有走遍,人子就到了。
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
学生不能高过先生;仆人不能高过主人。
Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
学生和先生一样,仆人和主人一样,也就罢了。人既骂家主是别西卜(别西卜:是鬼王的名),何况他的家人呢?
Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
所以,不要怕他们;因为掩盖的事没有不露出来的,隐藏的事没有不被人知道的。
Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.
我在暗中告诉你们的,你们要在明处说出来;你们耳中所听的,要在房上宣扬出来。
Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
那杀身体,不能杀灵魂的,不要怕他们;惟有能把身体和灵魂都灭在地狱里的,正要怕他。
Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.
两个麻雀不是卖一分银子吗?若是你们的父不许,一个也不能掉在地上;
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
就是你们的头发也都被数过了。
Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
所以,不要惧怕,你们比许多麻雀还贵重!
Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
凡在人面前认我的,我在我天上的父面前也必认他;
Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
凡在人面前不认我的,我在我天上的父面前也必不认他。
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
你们不要想我来是叫地上太平;我来并不是叫地上太平,乃是叫地上动刀兵。
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;
因为我来是叫人与父亲生疏,女儿与母亲生疏,媳妇与婆婆生疏。
ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).
人的仇敌就是自己家里的人。
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
爱父母过于爱我的,不配作我的门徒;爱儿女过于爱我的,不配作我的门徒;
Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
不背著他的十字架跟从我的,也不配作我的门徒。
Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
得著生命的,将要失丧生命;为我失丧生命的,将要得著生命。
Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
人接待你们就是接待我;接待我就是接待那差我来的。
Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.
人因为先知的名接待先知,必得先知所得的赏赐;人因为义人的名接待义人,必得义人所得的赏赐。
Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
无论何人,因为门徒的名,只把一杯凉水给这小子里的一个喝,我实在告诉你们,这人不能不得赏赐。