Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina.