Mark 8

Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
那时,又有许多人聚集,并没有什么吃的。耶稣叫门徒来,说:
Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
我怜悯这众人;因为他们同我在这里已经三天,也没有吃的了。
koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
我若打发他们饿著回家,就必在路上困乏,因为其中有从远处来的。
Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
门徒回答说:在这野地,从那里能得饼,叫这些人吃饱呢?
Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
耶稣问他们说:你们有多少饼?他们说:七个。
Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.
他吩咐众人坐在地上,就拿著这七个饼祝谢了,擘开,递给门徒,叫他们摆开,门徒就摆在众人面前。
Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
又有几条小鱼;耶稣祝了福,就吩咐也摆在众人面前。
Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
众人都吃,并且吃饱了,收拾剩下的零碎,有七筐子。
Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
人数约有四千。耶稣打发他们走了,
Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
随即同门徒上船,来到大玛努他境内。
Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
法利赛人出来盘问耶稣,求他从天上显个神迹给他们看,想要试探他。
Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
耶稣心里深深的叹息,说:这世代为什么求神迹呢?我实在告诉你们,没有神迹给这世代看。
Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
他就离开他们,又上船往海那边去了。
Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
门徒忘了带饼;在船上除了一个饼,没有别的食物。
Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.
耶稣嘱咐他们说:你们要谨慎,防备法利赛人的酵和希律的酵。
Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
他们彼此议论说:这是因为我们没有饼吧。
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
耶稣看出来,就说:你们为什么因为没有饼就议论呢?你们还不省悟,还不明白么?你们的心还是愚顽么?
Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
你们有眼睛,看不见吗?有耳朵,听不见吗?也不记得吗?
Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
我擘开那五个饼分给五千人,你们收拾的零碎装满了多少篮子呢?他们说:十二个。
Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
又擘开那七个饼分给四千人,你们收拾的零碎装满了多少筐子呢?他们说:七个。
Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
耶稣说:你们还是不明白吗?
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
他们来到伯赛大,有人带一个瞎子来,求耶稣摸他。
Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
耶稣拉著瞎子的手,领他到村外,就吐唾沫在他眼睛上,按手在他身上,问他说:你看见什么了?
Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
他就抬头一看,说:我看见人了;他们好像树木,并且行走。
Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
随后又按手在他眼睛上,他定睛一看,就复了原,样样都看得清楚了。
Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
耶稣打发他回家,说:连这村子你也不要进去。
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
耶稣和门徒出去,往凯撒利亚‧腓立比的村庄去;在路上问门徒说:人说我是谁?
Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.
他们说:有人说是施洗的约翰;有人说是以利亚;又有人说是先知里的一位。
Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
又问他们说:你们说我是谁?彼得回答说:你是基督。
Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.
耶稣就禁戒他们,不要告诉人。
Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
从此,他教训他们说:人子必须受许多的苦,被长老、祭司长,和文士弃绝,并且被杀,过三天复活。
Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
耶稣明明的说这话,彼得就拉著他,劝他。
Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
耶稣转过来,看著门徒,就责备彼得说:撒但,退我后边去吧!因为你不体贴 神的意思,只体贴人的意思。
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
于是叫众人和门徒来,对他们说:若有人要跟从我,就当舍己,背起他的十字架来跟从我。
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
因为,凡要救自己生命(或作:灵魂;下同)的,必丧掉生命;凡为我和福音丧掉生命的,必救了生命。
Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
人就是赚得全世界,赔上自己的生命,有什么益处呢?
Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
人还能拿什么换生命呢?
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
凡在这淫乱罪恶的世代,把我和我的道当作可耻的,人子在他父的荣耀里,同圣天使降临的时候,也要把那人当作可耻的。