Mark 6

Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
耶稣离开那里,来到自己的家乡;门徒也跟从他。
Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
到了安息日,他在会堂里教训人。众人听见,就甚希奇,说:这人从那里有这些事呢?所赐给他的是什么智慧?他手所做的是何等的异能呢?
Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
这不是那木匠吗?不是马利亚的儿子雅各、约西、犹大、西门的长兄吗?他妹妹们不也是在我们这里吗?他们就厌弃他(厌弃他:原文是因他跌倒)。
Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
耶稣对他们说:大凡先知,除了本地、亲属、本家之外,没有不被人尊敬的。
Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
耶稣就在那里不得行什么异能,不过按手在几个病人身上,治好他们。
Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
他也诧异他们不信,就往周围乡村教训人去了。
Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
耶稣叫了十二个门徒来,差遣他们两个两个的出去,也赐给他们权柄,制伏污鬼;
Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.
并且嘱咐他们:行路的时候不要带食物和口袋,腰袋里也不要带钱,除了柺杖以外,什么都不要带;
Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
只要穿鞋,也不要穿两件挂子,
Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
又对他们说:你们无论到何处,进了人的家,就住在那里,直到离开那地方。
Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
何处的人不接待你们,不听你们,你们离开那里的时候,就把脚上的尘土跺下去,对他们作见证。
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
门徒就出去传道,叫人悔改,
Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
又赶出许多的鬼,用油抹了许多病人,治好他们。
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
耶稣的名声传扬出来。希律王听见了,就说:施洗的约翰从死里复活了,所以这些异能由他里面发出来。
Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
但别人说:是以利亚。又有人说:是先知,正像先知中的一位。
Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
希律听见却说:是我所斩的约翰,他复活了。
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
先是希律为他兄弟腓力的妻子希罗底的缘故,差人去拿住约翰,锁在监里,因为希律已经娶了那妇人。
Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
约翰曾对希律说:你娶你兄弟的妻子是不合理的。
Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
于是希罗底怀恨他,想要杀他,只是不能;
Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.
因为希律知道约翰是义人,是圣人,所以敬畏他,保护他,听他讲论,就多照著行(有古卷:游移不定),并且乐意听他。
Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,
有一天,恰巧是希律的生日,希律摆设筵席,请了大臣和千夫长,并加利利作首领的。
ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
希罗底的女儿进来跳舞,使希律和同席的人都欢喜。王就对女子说:你随意向我求什么,我必给你;
Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
又对她起誓说:随你向我求什么,就是我国的一半,我也必给你。
Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
她就出去对她母亲说:我可以求什么呢?她母亲说:施洗约翰的头。
Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
他就急忙进去见王,求他说:我愿王立时把施洗约翰的头放在盘子里给我。
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
王就甚忧愁;但因他所起的誓,又因同席的人,就不肯推辞,
Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
随即差一个护卫兵,吩咐拿约翰的头来。护卫兵就去,在监里斩了约翰,
Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
把头放在盘子里,拿来给女子,女子就给她母亲。
Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
约翰的门徒听见了,就来把他的尸首领去,葬在坟墓里。
Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.
使徒聚集到耶稣那里,将一切所做的事、所传的道全告诉他。
Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
他就说:你们来,同我暗暗的到旷野地方去歇一歇。这是因为来往的人多,他们连吃饭也没有工夫。
Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
他们就坐船,暗暗的往旷野地方去。
Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.
众人看见他们去,有许多认识他们的,就从各城步行,一同跑到那里,比他们先赶到了。
Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
耶稣出来,见有许多的人,就怜悯他们,因为他们如同羊没有牧人一般,于是开口教训他们许多道理。
Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
天已经晚了,门徒进前来,说:这是野地,天已经晚了,
ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
请叫众人散开,他们好往四面乡村里去,自己买什么吃。
Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
耶稣回答说:你们给他们吃吧。门徒说:我们可以去买二十两银子的饼,给他们吃吗?
Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
耶稣说:你们有多少饼,可以去看看。他们知道了,就说:五个饼,两条鱼。
Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.
耶稣吩咐他们,叫众人一帮一帮的坐在青草地上。
Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
众人就一排一排的坐下,有一百一排的,有五十一排的。
Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
耶稣拿著这五个饼,两条鱼,望著天祝福,擘开饼,递给门徒,摆在众人面前,也把那两条鱼分给众人。
Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
他们都吃,并且吃饱了。
Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
门徒就把碎饼碎鱼收拾起来,装满了十二个篮子。
Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
吃饼的男人共有五千。
Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
耶稣随即催门徒上船,先渡到那边伯赛大去,等他叫众人散开。
Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
他既辞别了他们,就往山上去祷告。
Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
到了晚上,船在海中,耶稣独自在岸上;
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
看见门徒因风不顺,摇橹甚苦。夜里约有四更天,就在海面上走,往他们那里去,意思要走过他们去。
Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
但门徒看见他在海面上走,以为是鬼怪,就喊叫起来;
Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
因为他们都看见了他,且甚惊慌。耶稣连忙对他们说:你们放心!是我,不要怕!
Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
于是到他们那里,上了船,风就住了;他们心里十分惊奇。
Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
这是因为他们不明白那分饼的事,心里还是愚顽。
Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
既渡过去,来到革尼撒勒地方,就靠了岸,
Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
一下船,众人认得是耶稣,
ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.
就跑遍那一带地方,听见他在何处,便将有病的人用褥子抬到那里。
Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.
凡耶稣所到的地方,或村中,或城里,或乡间,他们都将病人放在街市上,求耶稣只容他们摸他的衣裳䍁子;凡摸著的人就都好了。