Mark 14

Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
过两天是逾越节,又是除酵节,祭司长和文士想法子怎么用诡计捉拿耶稣,杀他。
Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
只是说:当节的日子不可,恐怕百姓生乱。
Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
耶稣在伯大尼长大痲疯的西门家里坐席的时候,有一个女人拿著一玉瓶至贵的真哪哒香膏来,打破玉瓶,把膏浇在耶稣的头上。
Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
有几个人心中很不喜悦,说:何用这样枉费香膏呢?
Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
这香膏可以卖三十多两银子赒济穷人。他们就向那女人生气。
Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
耶稣说:由她吧!为什么难为她呢?她在我身上作的是一件美事。
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
因为常有穷人和你们同在,要向他们行善随时都可以;只是你们不常有我。
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
她所作的,是尽她所能的;她是为我安葬的事把香膏预先浇在我身上。
Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
我实在告诉你们,普天之下,无论在什么地方传这福音,也要述说这女人所作的,以为记念。
Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
十二门徒之中,有一个加略人犹大去见祭司长,要把耶稣交给他们。
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
他们听见就欢喜,又应许给他银子;他就寻思如何得便把耶稣交给他们。
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
除酵节的第一天,就是宰逾越羊羔的那一天,门徒对耶稣说:你吃逾越节的筵席要我们往那里去预备呢?
Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
耶稣就打发两个门徒,对他们说:你们进城去,必有人拿著一瓶水迎面而来,你们就跟著他。
Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
他进那家去,你们就对那家的主人说:夫子说:客房在那里?我与门徒好在那里吃逾越节的筵席。
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
他必指给你们摆设整齐的一间大楼,你们就在那里为我们预备。
Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
门徒出去,进了城,所遇见的正如耶稣所说的。他们就预备了逾越节的筵席。
Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
到了晚上,耶稣和十二个门徒都来了。
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
他们坐席正吃的时候,耶稣说:我实在告诉你们,你们中间有一个与我同吃的人要卖我了。
Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
他们就忧愁起来,一个一个的问他说:是我吗?
Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.
耶稣对他们说:是十二个门徒中同我蘸手在盘子里的那个人。
Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
人子必要去世,正如经上指著他所写的;但卖人子的人有祸了!那人不生在世上倒好。
Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
他们吃的时候,耶稣拿起饼来,祝了福,就擘开,递给他们,说:你们拿著吃,这是我的身体;
Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.
又拿起杯来,祝谢了,递给他们;他们都喝了。
Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.
耶稣说:这是我立约的血,为多人流出来的。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
我实在告诉你们,我不再喝这葡萄汁,直到我在 神的国里喝新的那日子。
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
他们唱了诗,就出来,往橄榄山去。
Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).
耶稣对他们说:你们都要跌倒了,因为经上记著说:我要击打牧人,羊就分散了。
Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
但我复活以后,要在你们以先往加利利去。
Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
彼得说:众人虽然跌倒,我总不能。
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
耶稣对他说:我实在告诉你,就在今天夜里,鸡叫两遍以先,你要三次不认我。
Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
彼得却极力的说:我就是必须和你同死,也总不能不认你。众门徒都是这样说。
Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
他们来到一个地方,名叫客西马尼。耶稣对门徒说:你们坐在这里,等我祷告。
Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
于是带著彼得、雅各、约翰同去,就惊恐起来,极其难过,
Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
对他们说:我心里甚是忧伤,几乎要死;你们在这里等候,儆醒。
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
他就稍往前走,俯伏在地,祷告说:倘若可行,便叫那时候过去。
Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
他说:阿爸!父啊!在你凡事都能;求你将这杯撤去。然而,不要从我的意思,只要从你的意思。
Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
耶稣回来,见他们睡著了,就对彼得说:西门,你睡觉吗?不能儆醒片时吗?
Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
总要儆醒祷告,免得入了迷惑。你们心灵固然愿意,肉体却软弱了。
Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
耶稣又去祷告,说的话还是与先前一样,
Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
又来见他们睡著了,因为他们的眼睛甚是困倦;他们也不知道怎么回答。
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.
第三次来,对他们说:现在你们仍然睡觉安歇吧(或作吗?)!够了,时候到了。看哪,人子被卖在罪人手里了。
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
起来!我们走吧。看哪,那卖我的人近了。
Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
说话之间,忽然那十二个门徒里的犹大来了,并有许多人带著刀棒,从祭司长和文士并长老那里与他同来。
Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
卖耶稣的人曾给他们一个暗号,说:我与谁亲嘴,谁就是他。你们把他拿住,牢牢靠靠的带去。
Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
犹大来了,随即到耶稣跟前,说:拉比,便与他亲嘴。
Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
他们就下手拿住他。
Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
旁边站著的人,有一个拔出刀来,将大祭司的仆人砍了一刀,削掉了他一个耳朵。
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
耶稣对他们说:你们带著刀棒出来拿我,如同拿强盗吗?
Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
我天天教训人,同你们在殿里,你们并没有拿我。但这事成就,为要应验经上的话。
Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
门徒都离开他,逃走了。
Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.
有一个少年人,赤身披著一块麻布,跟随耶稣,众人就捉拿他。
Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
他却丢了麻布,赤身逃走了。
Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
他们把耶稣带到大祭司那里,又有众祭司长和长老并文士都来和大祭司一同聚集。
Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.
彼得远远的跟著耶稣,一直进入大祭司的院里,和差役一同坐在火光里烤火。
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
祭司长和全公会寻找见证控告耶稣,要治死他,却寻不著。
Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
因为有好些人作见证告他,只是他们的见证各不相合。
Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
又有几个人站起来作假见证告他,说:
Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
我们听见他说:我要拆毁这人手所造的殿,三日内就另造一座不是人手所造的。
Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.
他们就是这么作见证,也是各不相合。
Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
大祭司起来站在中间,问耶稣说:你什么都不回答么?这些人作见证告你的是什么呢?
Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
耶稣却不言语,一句也不回答。大祭司又问他说:你是那当称颂者的儿子基督不是?
Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
耶稣说:我是。你们必看见人子坐在那权能者的右边,驾著天上的云降临。
Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
大祭司就撕开衣服,说:我们何必再用见证人呢?
Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
你们已经听见他这僭妄的话了。你们的意见如何?他们都定他该死的罪。
Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
就有人吐唾沫在他脸上,又蒙著他的脸,用拳头打他,对他说:你说预言吧!差役接过他来,用手掌打他。
Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
彼得在下边院子里;来了大祭司的一个使女,
ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
见彼得烤火,就看著他,说:你素来也是同拿撒勒人耶稣一伙的。
Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
彼得却不承认,说:我不知道,也不明白你说的是什么。于是出来,到了前院,鸡就叫了。
Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
那使女看见他,又对旁边站著的人说:这也是他们一党的。
fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
彼得又不承认。过了不多的时候,旁边站著的人又对彼得说:你真是他们一党的!因为你是加利利人。
Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
彼得就发咒起誓的说:我不认得你们说的这个人。
Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
立时鸡叫了第二遍。彼得想起耶稣对他所说的话:鸡叫两遍以先,你要三次不认我。思想起来,就哭了。