Mark 13

Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
耶稣从殿里出来的时候,有一个门徒对他说:夫子,请看,这是何等的石头!何等的殿宇!
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
耶稣对他说:你看见这大殿宇吗?将来在这里没有一块石头留在石头上,不被拆毁了。
Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
耶稣在橄榄山上对圣殿而坐,彼得、雅各、约翰,和安得烈暗暗的问他说:
Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
请告诉我们,什么时候有这些事呢?这一切事将成的时候有什么豫兆呢?
Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
耶稣说:你们要谨慎,免得有人迷惑你们。
Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
将来有好些人冒我的名来,说:我是基督,并且要迷惑许多人。
Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
你们听见打仗和打仗的风声,不要惊慌。这些事是必须有的,只是末期还没有到。
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.
民要攻打民,国要攻打国;多处必有地震、饥荒。这都是灾难(灾难:原文是生产之难)的起头。
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
但你们要谨慎;因为人要把你们交给公会,并且你们在会堂里要受鞭打,又为我的缘故站在诸侯与君王面前,对他们作见证。
Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
然而,福音必须先传给万民。
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
人把你们拉去交官的时候,不要预先思虑说什么;到那时候,赐给你们什么话,你们就说什么;因为说话的不是你们,乃是圣灵。
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
弟兄要把弟兄,父亲要把儿子,送到死地;儿女要起来与父母为敌,害死他们;
Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
并且你们要为我的名被众人恨恶。惟有忍耐到底的,必然得救。
Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
你们看见那行毁坏可憎的,站在不当站的地方(读这经的人须要会意)。那时,在犹太的,应当逃到山上;
Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
在房上的,不要下来,也不要进去拿家里的东西;
Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
在田里的,也不要回去取衣裳。
Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!
当那些日子,怀孕的和奶孩子的有祸了!
Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
你们应当祈求,叫这些事不在冬天临到。
Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
因为在那些日子必有灾难,自从 神创造万物直到如今,并没有这样的灾难,后来也必没有。
Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
若不是主减少那日子,凡有血气的,总没有一个得救的;只是为主的选民,他将那日子减少了。
Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.
那时若有人对你们说:看哪,基督在这里,或说:基督在那里,你们不要信!
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
因为假基督、假先知将要起来,显神迹奇事,倘若能行,就把选民迷惑了。
Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
你们要谨慎。看哪,凡事我都预先告诉你们了。
Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
在那些日子,那灾难以后,日头要变黑了,月亮也不放光,
ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra.
众星要从天上坠落,天势都要震动。
Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
那时,他们(马太二十四章三十节是地上的万族)要看见人子有大能力、大荣耀,驾云降临。
Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.
他要差遣天使,把他的选民,从四方(方:原文是风),从地极直到天边,都招聚了来。
Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
你们可以从无花果树学个比方:当树枝发嫩长叶的时候,你们就知道夏天近了。
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
这样,你们几时看见这些事成就,也该知道人子(人子:或作 神的国)近了,正在门口了。
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
我实在告诉你们,这世代还没有过去,这些事都要成就。
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
天地要废去,我的话却不能废去。
Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
但那日子,那时辰,没有人知道,连天上的使者也不知道,子也不知道,惟有父知道。
Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.
你们要谨慎,儆醒祈祷,因为你们不晓得那日期几时来到。
Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
这事正如一个人离开本家,寄居外邦,把权柄交给仆人,分派各人当作的工又吩咐看门的儆醒。
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
所以,你们要儆醒;因为你们不知道家主什么时候来,或晚上,或半夜,或鸡叫,或早晨;
fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
恐怕他忽然来到,看见你们睡著了。
Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra
我对你们所说的话,也是对众人说:要儆醒!