Mark 12

Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
耶稣就用比喻对他们说:有人栽了一个葡萄园,周围圈上篱笆,挖了一个压酒池,盖了一座楼,租给园户,就往外国去了。
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.
到了时候,打发一个仆人到园户那里,要从园户收葡萄园的果子。
Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
园户拿住他,打了他,叫他空手回去。
Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
再打发一个仆人到他们那里。他们打伤他的头,并且凌辱他。
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
又打发一个仆人去,他们就杀了他。后又打发好些仆人去,有被他们打的,有被他们杀的。
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
园主还有一位是他的爱子,末后又打发他去,意思说:他们必尊敬我的儿子。
Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
不料,那些园户彼此说:这是承受产业的。来吧,我们杀他,产业就归我们了!
Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.
于是拿住他,杀了他,把他丢在园外。
Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
这样,葡萄园的主人要怎么办呢?他要来除灭那些园户,将葡萄园转给别人。
Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
经上写著说:匠人所弃的石头,已作了房角的头块石头。
Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)
这是主所作的,在我们眼中看为希奇。这经你们没有念过吗?
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
他们看出这比喻是指著他们说的,就想要捉拿他,只是惧怕百姓,于是离开他走了。
Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.
后来,他们打发几个法利赛人和几个希律党的人到耶稣那里,要就著他的话陷害他。
Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
他们来了,就对他说:夫子,我们知道你是诚实的,什么人你都不徇情面;因为你不看人的外貌,乃是诚诚实实传 神的道。纳税给凯撒可以不可以?
Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
我们该纳不该纳?耶稣知道他们的假意,就对他们说:你们为什么试探我?拿一个银钱来给我看!
Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
他们就拿了来。耶稣说:这像和这号是谁的?他们说:是凯撒的。
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
耶稣说:凯撒的物当归给凯撒, 神的物当归给 神。他们就很希奇他。
Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
撒都该人常说没有复活的事。他们来问耶稣说:
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
夫子,摩西为我们写著说:人若死了,撇下妻子,没有孩子,他兄弟当娶他的妻,为哥哥生子立后。
Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
有弟兄七人,第一个娶了妻,死了,没有留下孩子。
Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
第二个娶了她,也死了,没有留下孩子。第三个也是这样。
Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
那七个人都没有留下孩子;末了,那妇人也死了。
Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
当复活的时候,他是那一个的妻子呢?因为他们七个人都娶过他。
Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
耶稣说:你们所以错了,岂不是因为不明白圣经,不晓得 神的大能吗?
Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
人从死里复活,也不娶也不嫁,乃像天上的使者一样。
Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)
论到死人复活,你们没有念过摩西的书荆棘篇上所载的吗? 神对摩西说:我是亚伯拉罕的 神,以撒的 神,雅各的 神。
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.
 神不是死人的 神,乃是活人的 神。你们是大错了。
Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
有一个文士来,听见他们辩论,晓得耶稣回答的好,就问他说:诫命中那是第一要紧的呢?
Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
耶稣回答说:第一要紧的就是说:以色列啊,你要听,主─我们 神是独一的主。
koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5).
你要尽心、尽性、尽意、尽力爱主─你的 神。
Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
其次就是说:要爱人如己。再没有比这两条诫命更大的了。
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
那文士对耶稣说:夫子说, 神是一位,实在不错;除了他以外,再没有别的 神;
Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
并且尽心、尽智、尽力爱他,又爱人如己,就比一切燔祭和各样祭祀好的多。
Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
耶稣见他回答的有智慧,就对他说:你离 神的国不远了。从此以后,没有人敢再问他什么。
Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?
耶稣在殿里教训人,就问他们说:文士怎么说基督是大卫的子孙呢?
Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
大卫被圣灵感动,说:主对我主说,你坐在我的右边,等我使你仇敌作你的脚凳。
Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
大卫既自己称他为主,他怎么又是大卫的子孙呢?众人都喜欢听他。
Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena,
耶稣在教训之间,说:你们要防备文士;他们好穿长衣游行,喜爱人在街市上问他们的安,
ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
又喜爱会堂里的高位,筵席上的首座。
ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
他们侵吞寡妇的家产,假意作很长的祷告。这些人要受更重的刑罚!
Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
耶稣对银库坐著,看众人怎样投钱入库。有好些财主往里投了若干的钱。
Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.
有一个穷寡妇来,往里投了两个小钱,就是一个大钱。
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
耶稣叫门徒来,说:我实在告诉你们,这穷寡妇投入库里的,比众人所投的更多。
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
因为,他们都是自己有余,拿出来投在里头;但这寡妇是自己不足,把他一切养生的都投上了。