Luke 9

Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
耶稣叫齐了十二个门徒,给他们能力、权柄,制伏一切的鬼,医治各样的病,
Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
又差遣他们去宣传 神国的道,医治病人,
Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
对他们说:行路的时候,不要带柺杖和口袋,不要带食物和银子,也不要带两件褂子。
Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
无论进那一家,就住在那里,也从那里起行。
Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
凡不接待你们的,你们离开那城的时候,要把脚上的尘土跺下去,见证他们的不是。
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
门徒就出去,走遍各乡宣传福音,到处治病。
Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
分封的王希律听见耶稣所作的一切事,就游移不定;因为有人说:是约翰从死里复活;
ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
又有人说:是以利亚显现;还有人说:是古时的一个先知又活了。
Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
希律说:约翰我已经斩了,这却是什么人?我竟听见他这样的事呢?就想要见他。
Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
使徒回来,将所作的事告诉耶稣,耶稣就带他们暗暗的离开那里,往一座城去;那城名叫伯赛大。
Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
但众人知道了,就跟著他去;耶稣便接待他们,对他们讲论 神国的道,医治那些需医的人。
Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
日头快要平西,十二个门徒来对他说:请叫众人散开,他们好往四面乡村里去借宿找吃的,因为我们这里是野地。
Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.
耶稣说:你们给他们吃吧!门徒说:我们不过有五个饼,两条鱼,若不去为这许多人买食物就不够。
Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
那时,人数约有五千。耶稣对门徒说:叫他们一排一排的坐下,每排大约五十个人。
Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
门徒就如此行,叫众人都坐下。
Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.
耶稣拿著这五个饼,两条鱼,望著天祝福,擘开,递给门徒,摆在众人面前。
Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
他们就吃,并且都吃饱了;把剩下的零碎收拾起来,装满了十二篮子。
Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
耶稣自己祷告的时候,门徒也同他在那里。耶稣问他们说:众人说我是谁?
Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
他们说:有人说是施洗的约翰;有人说是以利亚;还有人说是古时的一个先知又活了。
Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
耶稣说:你们说我是谁?彼得回答说:是 神所立的基督。
Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
耶稣切切的嘱咐他们,不可将这事告诉人,
ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
又说:人子必须受许多的苦,被长老、祭司长、和文士弃绝,并且被杀,第三日复活。
Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
耶稣又对众人说:若有人要跟从我,就当舍己,天天背起他的十字架来跟从我。
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
因为,凡要救自己生命(生命:或作灵魂;下同)的,必丧掉生命;凡为我丧掉生命的,必救了生命。
Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?
人若赚得全世界,却丧了自己,赔上自己,有什么益处呢?
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
凡把我和我的道当作可耻的,人子在自己的荣耀里,并天父与圣天使的荣耀里降临的时候,也要把那人当作可耻的。
Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
我实在告诉你们,站在这里的,有人在没尝死味以前,必看见 神的国。
Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
说了这话以后约有八天,耶稣带著彼得、约翰、雅各上山去祷告。
Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
正祷告的时候,他的面貌就改变了,衣服洁白放光。
Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
忽然有摩西、以利亚两个人同耶稣说话;
izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
他们在荣光里显现,谈论耶稣去世的事,就是他在耶路撒冷将要成的事。
Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
彼得和他的同伴都打盹,既清醒了,就看见耶稣的荣光,并同他站著的那两个人。
Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
二人正要和耶稣分离的时候,彼得对耶稣说:夫子,我们在这里真好!可以搭三座棚,一座为你,一座为摩西,一座为以利亚。他却不知道所说的是什么。
Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
说这话的时候,有一朵云彩来遮盖他们;他们进入云彩里就惧怕。
Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
有声音从云彩里出来,说:这是我的儿子,我所拣选的(有古卷:这是我的爱子),你们要听他。
Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
声音住了,只见耶稣一人在那里。当那些日子,门徒不提所看见的事,一样也不告诉人。
Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
第二天,他们下了山,就有许多人迎见耶稣。
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
其中有一人喊叫说:夫子!求你看顾我的儿子,因为他是我的独生子。
Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
他被鬼抓住就忽然喊叫;鬼又叫他抽疯,口中流沫,并且重重的伤害他,难以离开他。
Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
我求过你的门徒,把鬼赶出去,他们却是不能。
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
耶稣说:嗳!这又不信又悖谬的世代啊,我在你们这里,忍耐你们要到几时呢?将你的儿子带到这里来吧!
Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
正来的时候,鬼把他摔倒,叫他重重的抽疯。耶稣就斥责那污鬼,把孩子治好了,交给他父亲。
Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
众人都诧异 神的大能(大能:或作威荣)。耶稣所作的一切事,众人正希奇的时候,耶稣对门徒说:
Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.
你们要把这些话存在耳中,因为人子将要被交在人手里。
Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
他们不明白这话,意思乃是隐藏的,叫他们不能明白,他们也不敢问这话的意思。
Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
门徒中间起了议论,谁将为大。
Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
耶稣看出他们心中的议论,就领一个小孩子来,叫他站在自己旁边,
ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
对他们说:凡为我名接待这小孩子的,就是接待我;凡接待我的,就是接待那差我来的。你们中间最小的,他便为大。
Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
约翰说:夫子,我们看见一个人奉你的名赶鬼,我们就禁止他,因为他不与我们一同跟从你。
Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
耶稣说:不要禁止他;因为不敌挡你们的,就是帮助你们的。
Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
耶稣被接上升的日子将到,他就定意向耶路撒冷去,
Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
便打发使者在他前头走。他们到了撒马利亚的一个村庄,要为他预备。
Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
那里的人不接待他,因他面向耶路撒冷去。
Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?
他的门徒雅各、约翰看见了,就说:主啊,你要我们吩咐火从天上降下来烧灭他们,像以利亚所作的(有古卷无「像以利亚所作的」数字)吗?
Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.
耶稣转身责备两个门徒,说:你们的心如何,你们并不知道。
Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.
人子来不是要灭人的性命(或作:灵魂;下同),是要救人的性命。说著就往别的村庄去了(有古卷只有五十五节首句,五十六节末句)。
Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
他们走路的时候,有一人对耶稣说:你无论往那里去,我要跟从你。
Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.
耶稣说:狐狸有洞,天空的飞鸟有窝,只是人子没有枕头的地方。
Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
又对一个人说:跟从我来!那人说:主,容我先回去埋葬我的父亲。
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra.
耶稣说:任凭死人埋葬他们的死人,你只管去传扬 神国的道。
Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
又有一人说:主,我要跟从你,但容我先去辞别我家里的人。
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
耶稣说:手扶著犁向后看的,不配进 神的国。