Luke 7

Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
耶稣对百姓讲完了这一切的话,就进了迦百农。
Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
有一个百夫长所宝贵的仆人害病,快要死了。
Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
百夫长风闻耶稣的事,就托犹太人的几个长老去求耶稣来救他的仆人。
Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,
他们到了耶稣那里,就切切的求他说:你给他行这事是他所配得的;
satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
因为他爱我们的百姓,给我们建造会堂。
Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
耶稣就和他们同去。离那家不远,百夫长托几个朋友去见耶稣,对他说:主啊!不要劳动;因你到我舍下,我不敢当。
Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
我也自以为不配去见你,只要你说一句话,我的仆人就必好了。
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
因为我在人的权下,也有兵在我以下,对这个说:去!他就去;对那个说:来!他就来;对我的仆人说:你作这事!他就去作。
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
耶稣听见这话,就希奇他,转身对跟随的众人说:我告诉你们,这么大的信心,就是在以色列中,我也没有遇见过。
Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
那托来的人回到百夫长家里,看见仆人已经好了。
Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
过了不多时(有古卷:次日),耶稣往一座城去,这城名叫拿因,他的门徒和极多的人与他同行。
Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
将近城门,有一个死人被抬出来。这人是他母亲独生的儿子;他母亲又是寡妇。有城里的许多人同著寡妇送殡。
Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
主看见那寡妇,就怜悯她,对她说:不要哭!
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
于是进前按著杠,抬的人就站住了。耶稣说:少年人,我吩咐你,起来!
Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
那死人就坐起,并且说话。耶稣便把他交给他母亲。
Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
众人都惊奇,归荣耀与 神,说:有大先知在我们中间兴起来了!又说: 神眷顾了他的百姓!
Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
他这事的风声就传遍了犹太和周围地方。
Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
约翰的门徒把这些事都告诉约翰。
Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
他便叫了两个门徒来,打发他们到主那里去,说:那将要来的是你吗?还是我们等候别人呢?
Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
那两个人来到耶稣那里,说:施洗的约翰打发我们来问你:那将要来的是你吗?还是我们等候别人呢?
Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
正当那时候,耶稣治好了许多有疾病的,受灾患的,被恶鬼附著的,又开恩叫好些瞎子能看见。
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
耶稣回答说:你们去,把所看见所听见的事告诉约翰,就是瞎子看见,瘸子行走,长大痲疯的洁净,聋子听见,死人复活,穷人有福音传给他们。
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
凡不因我跌倒的,就有福了!
Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
约翰所差来的人既走了,耶稣就对众人讲论约翰说:你们从前出去到旷野,是要看什么呢?要看风吹动的芦苇么?
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
你们出去,到底是要看什么?要看穿细软衣服的人么?那穿华丽衣服、宴乐度日的人是在王宫里。
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
你们出去,究竟是要看什么?要看先知么?我告诉你们,是的,他比先知大多了。
Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
经上记著说:我要差遣我的使者在你前面预备道路,所说的就是这个人。
Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
我告诉你们,凡妇人所生的,没有一个大过约翰的;然而 神国里最小的比他还大。
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
众百姓和税吏既受过约翰的洗,听见这话,就以 神为义;
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.
但法利赛人和律法师没有受过约翰的洗,竟为自己废弃了 神的旨意。(29,30两节或作:众百姓和税吏听见了约翰的话,就受了他的洗,便以 神为义;但法利赛人和律法师不受约翰的洗,竟为自己废弃了 神的旨意。)
Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
主又说:这样,我可用什么比这世代的人呢?他们好像什么呢?
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.
好像孩童坐在街市上,彼此呼叫说:我们向你们吹笛,你们不跳舞;我们向你们举哀,你们不啼哭。
Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.
施洗的约翰来,不吃饼,不喝酒,你们说他是被鬼附著的。
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
人子来,也吃也喝,你们说他是贪食好酒的人,是税吏和罪人的朋友。
Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.
但智慧之子都以智慧为是。
Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
有一个法利赛人请耶稣和他吃饭;耶稣就到法利赛人家里去坐席。
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
那城里有一个女人,是个罪人,知道耶稣在法利赛人家里坐席,就拿著盛香膏的玉瓶,
ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,
站在耶稣背后,挨著他的脚哭,眼泪溼了耶稣的脚,就用自己的头发擦干,又用嘴连连亲他的脚,把香膏抹上。
Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
请耶稣的法利赛人看见这事,心里说:这人若是先知,必知道摸他的是谁,是个怎样的女人,乃是个罪人。
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
耶稣对他说:西门!我有句话要对你说。西门说:夫子,请说。
Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
耶稣说:一个债主有两个人欠他的债;一个欠五十两银子,一个欠五两银子;
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
因为他们无力偿还,债主就开恩免了他们两个人的债。这两个人那一个更爱他呢?
Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
西门回答说:我想是那多得恩免的人。耶稣说:你断的不错。
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
于是转过来向著那女人,便对西门说:你看见这女人吗?我进了你的家,你没有给我水洗脚;但这女人用眼泪溼了我的脚,用头发擦干。
Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
你没有与我亲嘴;但这女人从我进来的时候就不住的用嘴亲我的脚。
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
你没有用油抹我的头;但这女人用香膏抹我的脚。
Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
所以我告诉你,他许多的罪都赦免了,因为他的爱多;但那赦免少的,他的爱就少。
Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
于是对那女人说:你的罪赦免了。
Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
同席的人心里说:这是什么人,竟赦免人的罪呢?
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
耶稣对那女人说:你的信救了你;平平安安的回去吧!