Luke 19

Ary Jesosy niditra ka nandeha namaky an'i Jeriko.
耶稣进了耶利哥,正经过的时候,
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.
有一个人名叫撒该,作税吏长,是个财主。
Ary nitady hahita izay Jesosy izy, kanefa ny afaka noho ny habetsahan'ny olona nifanety, satria fohy izy.
他要看看耶稣是怎样的人;只因人多,他的身量又矮,所以不得看见,
Dia nihazakazaka nialoha izy ka nananika aviavy hizaha an'i Jesosy; fa efa handalo tamin'izany lalana izany Izy.
就跑到前头,爬上桑树,要看耶稣,因为耶稣必从那里经过。
Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.
耶稣到了那里,抬头一看,对他说:撒该,快下来!今天我必住在你家里。
Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.
他就急忙下来,欢欢喜喜的接待耶稣。
Ary raha nahita izany izy rehetra, dia nimonomonona ka nanao hoe: Lasa nandeha hiantrano amin'izay lehilahy mpanota Izy.
众人看见,都私下议论说:他竟到罪人家里去住宿。
Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
撒该站著对主说:主啊,我把所有的一半给穷人;我若讹诈了谁,就还他四倍。
Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa.
耶稣说:今天救恩到了这家,因为他也是亚伯拉罕的子孙。
Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
人子来,为要寻找,拯救失丧的人。
Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ka nataon'ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan'Andriamanitra.
众人正在听见这些话的时候,耶稣因为将近耶路撒冷,又因他们以为 神的国快要显出来,就另设一个比喻,说:
Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.
有一个贵冑往远方去,要得国回来,
Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.
便叫了他的十个仆人来,交给他们十锭(锭:原文作弥拿约银十两)银子,说:你们去作生意,直等我回来。
Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.
他本国的人却恨他,打发使者随后去,说:我们不愿意这个人作我们的王。
Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana.
他既得国回来,就吩咐叫那领银子的仆人来,要知道他们做生意赚了多少。
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.
头一个上来,说:主啊,你的一锭银子已经赚了十锭。
Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.
主人说:好!良善的仆人,你既在最小的事上有忠心,可以有权柄管十座城。
Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.
第二个来,说:主啊!你的一锭银子,已经赚了五锭。
Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.
主人说:你也可以管五座城。
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara.
又有一个来说:主啊,看哪,你的一锭银子在这里,我把它包在手巾里存著。
Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
我原是怕你,因为你是严厉的人;没有放下的,还要去拿;没有种下的,还要去收。
Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;
主人对他说:你这恶仆,我要凭你的口定你的罪。你既知道我是严厉的人,没有放下的,还要去拿,没有种下的,还要去收,
koa nahoana no tsy napetrakao tamin'ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?
为什么不把我的银子交给银行,等我来的时候,连本带利都可以要回来呢?
Ary hoy izy tamin'izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo
就对旁边站著的人说:夺过他这一锭来,给那有十锭的。
(Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)
他们说:主啊,他已经有十锭了。
Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
主人说:我告诉你们,凡有的,还要加给他;没有的,连他所有的也要夺过来。
Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ , ka vonoy eto anatrehako.
至于我那些仇敌,不要我作他们王的,把他们拉来,在我面前杀了吧!
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
耶稣说完了这话,就在前面走,上耶路撒冷去。
Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra
将近伯法其和伯大尼,在一座山名叫橄榄山那里,就打发两个门徒,说:
ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ .
你们往对面村子里去,进去的时候,必看见一匹驴驹拴在那里,是从来没有人骑过的,可以解开牵来。
Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
若有人问为什么解牠,你们就说:主要用牠。
Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy.
打发的人去了,所遇见的正如耶稣所说的。
Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
他们解驴驹的时候,主人问他们说:解驴驹做什么?
Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy.
他们说:主要用他。
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy.
他们牵到耶稣那里,把自己的衣服搭在上面,扶著耶稣骑上。
Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.
走的时候,众人把衣服铺在路上。
Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany
将近耶路撒冷,正下橄榄山的时候,众门徒因所见过的一切异能,都欢乐起来,大声讚美 神,
ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra.
说:奉主名来的王是应当称颂的!在天上有和平;在至高之处有荣光。
Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
众人中有几个法利赛人对耶稣说:夫子,责备你的门徒吧!
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.
耶稣说:我告诉你们,若是他们闭口不说,这些石头必要呼叫起来。
Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy
耶稣快到耶路撒冷,看见城,就为它哀哭,
ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany.
说:巴不得你在这日子知道关系你平安的事;无奈这事现在是隐藏的,叫你的眼看不出来。
Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
因为日子将到,你的仇敌必筑起土垒,周围环绕你,四面困住你,
ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
并要扫灭你和你里头的儿女,连一块石头也不留在石头上,因你不知道眷顾你的时候。
Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra
耶稣进了殿,赶出里头做买卖的人,
ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
对他们说:经上说:我的殿必作祷告的殿,你们倒使他成为贼窝了。
Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
耶稣天天在殿里教训人。祭司长和文士与百姓的尊长都想要杀他,
nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
但寻不出法子来,因为百姓都侧耳听他。