Luke 14

Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
安息日,耶稣到一个法利赛人的首领家里去吃饭,他们就窥探他。
Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
在他面前有一个患水臌的人。
Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia?
耶稣对律法师和法利赛人说:安息日治病,可以不可以?
Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
他们却不言语。耶稣就治好那人,叫他走了;
Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay na dia amin'ny andro Sabata aza?
便对他们说:你们中间谁有驴或有牛,在安息日掉在井里,不立时拉他上来呢?
Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy.
他们不能对答这话。
Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
耶稣见所请的客拣择首位,就用比喻对他们说:
Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
你被人请去赴婚姻的筵席,不要坐在首位上,恐怕有比你尊贵的客被他请来;
ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra.
那请你们的人前来对你说:让座给这一位吧!你就羞羞惭惭的退到末位上去了。
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
你被请的时候,就去坐在末位上,好叫那请你的人来对你说:朋友,请上坐。那时,你在同席的人面前就有光彩了。
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
因为,凡自高的,必降为卑,自卑的,必升为高。
Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
耶稣又对请他的人说:你摆设午饭或晚饭,不要请你的朋友、弟兄、亲属,和富足的邻舍,恐怕他们也请你,你就得了报答。
Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
你摆设筵席,倒要请那贫穷的、残废的、瘸腿的、瞎眼的,你就有福了!
dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin'ny fitsanganan'ny marina.
因为他们没有什么可报答你。到义人复活的时候,你要得著报答。
Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
同席的有一人听见这话,就对耶稣说:在 神国里吃饭的有福了!
Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
耶稣对他说:有一人摆设大筵席,请了许多客。
Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
到了坐席的时候,打发仆人去对所请的人说:请来吧!样样都齐备了。
Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
众人一口同音的推辞。头一个说:我买了一块地,必须去看看。请你准我辞了。
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
又有一个说:我买了五对牛,要去试一试。请你准我辞了。
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
又有一个说:我才娶了妻,所以不能去。
Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
那仆人回来,把这事都告诉了主人。家主就动怒,对仆人说:快出去,到城里大街小巷,领那贫穷的、残废的、瞎眼的、瘸腿的来。
Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
仆人说:主啊,你所吩咐的已经办了,还有空座。
Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
主人对仆人说,你出去到路上和篱笆那里,勉强人进来,坐满我的屋子。
Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
我告诉你们,先前所请的人,没有一个得尝我的筵席。
Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
有极多的人和耶稣同行。他转过来对他们说:
Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
人到我这里来,若不爱我胜过爱(爱我胜过爱:原文是恨)自己的父母、妻子、儿女、弟兄、姊妹,和自己的性命,就不能作我的门徒。
Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
凡不背著自己十字架跟从我的,也不能作我的门徒。
Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
你们那一个要盖一座楼,不先坐下算计花费,能盖成不能呢?
fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
恐怕安了地基,不能成功,看见的人都笑话他,说:
ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
这个人开了工,却不能完工。
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia?
或是一个王出去和别的王打仗,岂不先坐下酌量,能用一万兵去敌那领二万兵来攻打他的吗?
Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
若是不能,就趁敌人还远的时候,派使者去求和息的条款。
Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
这样,你们无论什么人,若不撇下一切所有的,就不能作我的门徒。
Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
盐本是好的;盐若失了味,可用什么叫它再咸呢?
Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
或用在田里,或堆在粪里,都不合式,只好丢在外面。有耳可听的,就应当听!