Luke 10

Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
这事以后,主又设立七十个人,差遣他们两个两个的在他前面,往自己所要到的各城各地方去,
Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
就对他们说:要收的庄稼多,作工的人少。所以,你们当求庄稼的主打发工人出去收他的庄稼。
Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia.
你们去吧!我差你们出去,如同羊羔进入狼群。
Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
不要带钱囊,不要带口袋,不要带鞋;在路上也不要问人的安。
Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity.
无论进那一家,先要说:愿这一家平安。
Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
那里若有当得平安的人(当得平安的人:原文是平安之子),你们所求的平安就必临到那家;不然,就归与你们了。
Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
你们要住在那家,吃喝他们所供给的,因为工人得工价是应当的;不要从这家搬到那家。
Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
无论进那一城,人若接待你们,给你们摆上什么,你们就吃什么。
Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
要医治那城里的病人,对他们说: 神的国临近你们了。
Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe:
无论进那一城,人若不接待你们,你们就到街上去,
Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
说:就是你们城里的尘土黏在我们的脚上,我们也当著你们擦去。虽然如此,你们该知道 神的国临近了。
Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.
我告诉你们,当审判的日子,所多玛所受的,比那城还容易受呢!
Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona.
哥拉汛哪,你有祸了!伯赛大啊,你有祸了!因为在你们中间所行的异能若行在泰尔、西顿,他们早已披麻蒙灰,坐在地上悔改了。
Fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
当审判的日子,泰尔、西顿所受的,比你们还容易受呢!
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao.
迦百农啊,你已经升到天上(或作:你将要升到天上吗),将来必推下阴间。
Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
又对门徒说:听从你们的就是听从我;弃绝你们的就是弃绝我;弃绝我的就是弃绝那差我来的。
Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
那七十个人欢欢喜喜的回来,说:主啊!因你的名,就是鬼也服了我们。
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
耶稣对他们说:我曾看见撒但从天上坠落,像闪电一样。
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
我已经给你们权柄可以践踏蛇和蠍子,又胜过仇敌一切的能力,断没有什么能害你们。
Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
然而,不要因鬼服了你们就欢喜,要因你们的名记录在天上欢喜。
Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
正当那时,耶稣被圣灵感动就欢乐,说:父啊,天地的主,我感谢你!因为你将这些事向聪明通达人就藏起来,向婴孩就显出来。父啊!是的,因为你的美意本是如此。
Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
一切所有的都是我父交付我的;除了父,没有人知道子是谁;除了子和子所愿意指示的,没有人知道父是谁。
Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
耶稣转身暗暗的对门徒说:看见你们所看见的,那眼睛就有福了。
Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
我告诉你们,从前有许多先知和君王要看你们所看的,却没有看见,要听你们所听的,却没有听见。
Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
有一个律法师起来试探耶稣,说:夫子!我该作什么才可以承受永生?
Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
耶稣对他说:律法上写的是什么?你念的是怎样呢?
Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
他回答说:「你要尽心、尽性、尽力、尽意爱主─你的 神;又要爱邻舍如同自己。」
Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
耶稣说:「你回答的是;你这样行,就必得永生。」
Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
那人要显明自己有理,就对耶稣说:谁是我的邻舍呢?
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
耶稣回答说:有一个人从耶路撒冷下耶利哥去,落在强盗手中。他们剥去他的衣裳,把他打个半死,就丢下他走了。
Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
偶然有一个祭司从这条路下来,看见他就从那边过去了。
Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
又有一个利未人来到这地方,看见他,也照样从那边过去了。
Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
惟有一个撒马利亚人行路来到那里,看见他就动了慈心,
Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
上前用油和酒倒在他的伤处,包裹好了,扶他骑上自己的牲口,带到店里去照应他。
Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
第二天拿出二钱银子来,交给店主,说:你且照应他;此外所费用的,我回来必还你。
Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy?
你想,这三个人那一个是落在强盗手中的邻舍呢?
Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
他说:是怜悯他的。耶稣说:你去照样行吧。
Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin'ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
他们走路的时候,耶稣进了一个村庄。有一个女人,名叫马大,接他到自己家里。
Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
他有一个妹子,名叫马利亚,在耶稣脚前坐著听他的道。
Fa Marta sahirana tamin'ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
马大伺候的事多,心里忙乱,就进前来,说:主啊,我的妹子留下我一个人伺候,你不在意吗?请吩咐她来帮助我。
Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
耶稣回答说:马大!马大!你为许多的事思虑烦扰,
nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
但是不可少的只有一件;马利亚已经选择那上好的福分,是不能夺去的。