dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.