Leviticus 7

Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
「赎愆祭的条例乃是如此:这祭是至圣的。
Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
人在那里宰燔祭牲,也要在那里宰赎愆祭牲;其血,祭司要洒在坛的周围。
Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
又要将肥尾巴和盖脏的脂油,
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
两个腰子和腰子上的脂油,就是靠腰两旁的脂油,并肝上的网子和腰子,一概取下。
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
祭司要在坛上焚烧,为献给耶和华的火祭,是赎愆祭。
Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.
祭司中的男丁都可以吃这祭物;要在圣处吃,是至圣的。
Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
赎罪祭怎样,赎愆祭也是怎样,两个祭是一个条例。献赎愆祭赎罪的祭司要得这祭物。
Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany.
献燔祭的祭司,无论为谁奉献,要亲自得他所献那燔祭牲的皮。
Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy.
凡在炉中烤的素祭和煎盘中做的,并铁鏊上做的,都要归那献祭的祭司。
Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
凡素祭,无论是油调和的是干的,都要归亚伦的子孙,大家均分。」
Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:
「人献与耶和华平安祭的条例乃是这样:
Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
他若为感谢献上,就要用调油的无酵饼和抹油的无酵薄饼,并用油调匀细面做的饼,与感谢祭一同献上。
Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
要用有酵的饼和为感谢献的平安祭,与供物一同献上。
Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.
从各样的供物中,他要把一个饼献给耶和华为举祭,是要归给洒平安祭牲血的祭司。
Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
为感谢献平安祭牲的肉,要在献的日子吃,一点不可留到早晨。
Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.
若所献的是为还愿,或是甘心献的,必在献祭的日子吃,所剩下的第二天也可以吃。
Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.
但所剩下的祭肉,到第三天要用火焚烧;
Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.
第三天若吃了平安祭的肉,这祭必不蒙悦纳,人所献的也不算为祭,反为可憎嫌的,吃这祭肉的,就必担当他的罪孽。
Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
「挨了污秽物的肉就不可吃,要用火焚烧。至于平安祭的肉,凡洁净的人都要吃;
fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
只是献与耶和华平安祭的肉,人若不洁净而吃了,这人必从民中剪除。
Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
有人摸了什么不洁净的物,或是人的不洁净,或是不洁净的牲畜,或是不洁可憎之物,吃了献与耶和华平安祭的肉,这人必从民中剪除。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy.
「你晓谕以色列人说:「牛的脂油、绵羊的脂油、山羊的脂油,你们都不可吃。
Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
自死的和被野兽撕裂的,那脂油可以做别的使用,只是你们万不可吃。
Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
无论何人吃了献给耶和华当火祭牲畜的脂油,那人必从民中剪除。
Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy.
在你们一切的住处,无论是雀鸟的血是野兽的血,你们都不可吃。
Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
无论是谁吃血,那人必从民中剪除。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.
「你晓谕以色列人说:献平安祭给耶和华的,要从平安祭中取些来奉给耶和华。
Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
他亲手献给耶和华的火祭,就是脂油和胸,要带来,好把胸在耶和华面前作摇祭,摇一摇。
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.
祭司要把脂油在坛上焚烧,但胸要归亚伦和他的子孙。
Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo.
你们要从平安祭中把右腿作举祭,奉给祭司。
Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
亚伦子孙中,献平安祭牲血和脂油的,要得这右腿为分;
Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.
因为我从以色列人的平安祭中,取了这摇的胸和举的腿给祭司亚伦和他子孙,作他们从以色列人中所永得的分。」
Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
这是从耶和华火祭中,作亚伦受膏的分和他子孙受膏的分,正在摩西(原文是他)叫他们前来给耶和华供祭司职分的日子,
dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby.
就是在摩西(原文是他)膏他们的日子,耶和华吩咐以色列人给他们的。这是他们世世代代永得的分。
Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
这就是燔祭、素祭、赎罪祭、赎愆祭,和平安祭的条例,并承接圣职的礼,
izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.
都是耶和华在西奈山所吩咐摩西的,就是他在西奈旷野吩咐以色列人献供物给耶和华之日所说的。