Leviticus 5

Ary raha misy manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
「若有人听见发誓的声音(或作:若有人听见叫人发誓的声音),他本是见证,却不把所看见的、所知道的说出来,这就是罪;他要担当他的罪孽。
na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
或是有人摸了不洁的物,无论是不洁的死兽,是不洁的死畜,是不洁的死虫,他却不知道,因此成了不洁,就有了罪。
na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
或是他摸了别人的污秽,无论是染了什么污秽,他却不知道,一知道了就有了罪。
na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
或是有人嘴里冒失发誓,要行恶,要行善,无论人在什么事上冒失发誓,他却不知道,一知道了就要在这其中的一件上有了罪。
koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
他有了罪的时候,就要承认所犯的罪,
ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
并要因所犯的罪,把他的赎愆祭牲─就是羊群中的母羊,或是一只羊羔,或是一只山羊─牵到耶和华面前为赎罪祭。至于他的罪,祭司要为他赎了。
Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
「他的力量若不够献一只羊羔,就要因所犯的罪,把两只斑鸠或是两只雏鸽带到耶和华面前为赎愆祭:一只作赎罪祭,一只作燔祭。
Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
把这些带到祭司那里,祭司就要先把那赎罪祭献上,从鸟的颈项上揪下头来,只是不可把鸟撕断,
Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
也把些赎罪祭牲的血弹在坛的旁边,剩下的血要流在坛的脚那里;这是赎罪祭。
Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
他要照例献第二只为燔祭。至于他所犯的罪,祭司要为他赎了,他必蒙赦免。
Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
「他的力量若不够献两只斑鸠或是两只雏鸽,就要因所犯的罪带供物来,就是细面伊法十分之一为赎罪祭;不可加上油,也不可加上乳香,因为是赎罪祭。
Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
他要把供物带到祭司那里,祭司要取出自己的一把来作为纪念,按献给耶和华火祭的条例烧在坛上;这是赎罪祭。
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
至于他在这几件事中所犯的罪,祭司要为他赎了,他必蒙赦免。剩下的面都归与祭司,和素祭一样。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.
「人若在耶和华的圣物上误犯了罪,有了过犯,就要照你所估的,按圣所的舍客勒拿银子,将赎愆祭牲─就是羊群中一只没有残疾的公绵羊─牵到耶和华面前为赎愆祭;
Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
并且他因在圣物上的差错要偿还,另外加五分之一,都给祭司。祭司要用赎愆祭的公绵羊为他赎罪,他必蒙赦免。
Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
「若有人犯罪,行了耶和华所吩咐不可行的什么事,他虽然不知道,还是有了罪,就要担当他的罪孽;
dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
也要照你所估定的价,从羊群中牵一只没有残疾的公绵羊来,给祭司作赎愆祭。至于他误行的那错事,祭司要为他赎罪,他必蒙赦免。
dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
这是赎愆祭,因他在耶和华面前实在有了罪。」