Leviticus 22

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin'ny tsy hanakekeny ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masina: Izaho no Jehovah.
「你吩咐亚伦和他子孙说:要远离以色列人所分别为圣、归给我的圣物,免得亵渎我的圣名。我是耶和华。
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin'ny zanakareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masina izay hamasinin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
你要对他们说:你们世世代代的后裔,凡身上有污秽、亲近以色列人所分别为圣、归耶和华圣物的,那人必在我面前剪除。我是耶和华。
Na iza na iza amin'ny taranak'i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masina mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan'ny azy,
亚伦的后裔,凡长大痲疯的,或是有漏症的,不可吃圣物,直等他洁净了。无论谁摸那因死尸不洁净的物(物或作:人),或是遗精的人,
na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
或是摸什么使他不洁净的爬物,或是摸那使他不洁净的人(不拘那人有什么不洁净),
ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro ka tsy hihinana amin'ny zava-masina, raha tsy mandro amin'ny rano.
摸了这些人、物的,必不洁净到晚上;若不用水洗身,就不可吃圣物。
Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin'ny zava-masina, satria fihinany izany.
日落的时候,他就洁净了,然后可以吃圣物,因为这是他的食物。
Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
自死的或是被野兽撕裂的,他不可吃,因此污秽自己。我是耶和华。
Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.
所以他们要守我所吩咐的,免得轻忽了,因此担罪而死。我是叫他们成圣的耶和华。
Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
「凡外人不可吃圣物;寄居在祭司家的,或是雇工人,都不可吃圣物;
Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa.
倘若祭司买人,是他的钱买的,那人就可以吃圣物;生在他家的人也可以吃。
Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.
祭司的女儿若嫁外人,就不可吃举祭的圣物。
Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
但祭司的女儿若是寡妇,或是被休的,没有孩子,又归回父家,与她青年一样,就可以吃她父亲的食物;只是外人不可吃。
Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:
若有人误吃了圣物,要照圣物的原数加上五分之一交给祭司。
Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,
祭司不可亵渎以色列人所献给耶和华的圣物,
na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
免得他们在吃圣物上自取罪孽,因为我是叫他们成圣的耶和华。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,
「你晓谕亚伦和他子孙,并以色列众人说:以色列家中的人,或在以色列中寄居的,凡献供物,无论是所许的愿,是甘心献的,就是献给耶和华作燔祭的,
dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
要将没有残疾的公牛,或是绵羊,或是山羊献上,如此方蒙悦纳。
Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
凡有残疾的,你们不可献上,因为这不蒙悦纳。
Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
凡从牛群或是羊群中,将平安祭献给耶和华,为要还特许的愿,或是作甘心献的,所献的必纯全无残疾的才蒙悦纳。
Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.
瞎眼的、折伤的、残废的、有瘤子的、长癣的、长疥的都不可献给耶和华,也不可在坛上作为火祭献给耶和华。
Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
无论是公牛是绵羊羔,若肢体有余的,或是缺少的,只可作甘心祭献上;用以还愿,却不蒙悦纳。
Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.
肾子损伤的,或是压碎的,或是破裂的,或是骟了的,不可献给耶和华,在你们的地上也不可这样行。
Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
这类的物,你们从外人的手,一样也不可接受作你们 神的食物献上;因为这些都有损坏,有残疾,不蒙悦纳。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin'ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
「才生的公牛,或是绵羊或是山羊,七天当跟著母;从第八天以后,可以当供物蒙悦纳,作为耶和华的火祭。
Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
无论是母牛是母羊,不可同日宰母和子。
Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an'i Jehovah ianareo, dia amin'izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
你们献感谢祭给耶和华,要献得可蒙悦纳。
Amin'izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
要当天吃,一点不可留到早晨。我是耶和华。
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
「你们要谨守遵行我的诫命。我是耶和华。
Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
你们不可亵渎我的圣名;我在以色列人中,却要被尊为圣。我是叫你们成圣的耶和华,
Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no Jehovah.
把你们从埃及地领出来,作你们的 神。我是耶和华。」