Leviticus 18

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
「你晓谕以色列人说:我是耶和华─你们的 神。
Aza manao araka ny fanaon'ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon'ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
你们从前住的埃及地,那里人的行为,你们不可效法,我要领你们到的迦南地,那里人的行为也不可效法,也不可照他们的恶俗行。
Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
你们要遵我的典章,守我的律例,按此而行。我是耶和华─你们的 神。
Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin'izany izy: Izaho no Jehovah.
所以,你们要守我的律例典章;人若遵行,就必因此活著。我是耶和华。
Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah.
「你们都不可露骨肉之亲的下体,亲近他们。我是耶和华。
Aza mandry amin'izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
不可露你母亲的下体,羞辱了你父亲。她是你的母亲,不可露她的下体。
Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy.
不可露你继母的下体;这本是你父亲的下体。
Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
你的姊妹,不拘是异母同父的,是异父同母的,无论是生在家生在外的,都不可露她们的下体。
Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian'izy roa.
不可露你孙女或是外孙女的下体,露了她们的下体就是露了自己的下体。
Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
你继母从你父亲生的女儿本是你的妹妹,不可露她的下体。
Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
不可露你姑母的下体;她是你父亲的骨肉之亲。
Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
不可露你姨母的下体;她是你母亲的骨肉之亲。
Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
不可亲近你伯叔之妻,羞辱了你伯叔;她是你的伯叔母。
Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
不可露你儿妇的下体;她是你儿子的妻,不可露她的下体。
Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
不可露你弟兄妻子的下体;这本是你弟兄的下体。
Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
不可露了妇人的下体,又露她女儿的下体,也不可娶她孙女或是外孙女,露她们的下体;她们是骨肉之亲,这本是大恶。
Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
你妻还在的时候,不可另娶她的姊妹作对头,露她的下体。
Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.
「女人行经不洁净的时候,不可露她的下体,与她亲近。
Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
不可与邻舍的妻行淫,玷污自己。
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
不可使你的儿女经火归与摩洛,也不可亵渎你 神的名。我是耶和华。
Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
不可与男人苟合,像与女人一样;这本是可憎恶的。
Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
不可与兽淫合,玷污自己。女人也不可站在兽前,与牠淫合;这本是逆性的事。
Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
「在这一切的事上,你们都不可玷污自己;因为我在你们面前所逐出的列邦,在这一切的事上玷污了自己;
Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan'ny tany ny mponina eo.
连地也玷污了,所以我追讨那地的罪孽,那地也吐出它的居民。
Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
故此,你们要守我的律例典章。这一切可憎恶的事,无论是本地人,是寄居在你们中间的外人,都不可行,
(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon'ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
在你们以先居住那地的人行了这一切可憎恶的事,地就玷污了,
mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
免得你们玷污那地的时候,地就把你们吐出,像吐出在你们以先的国民一样。
Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
无论什么人,行了其中可憎的一件事,必从民中剪除。
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
所以,你们要守我所吩咐的,免得你们随从那些可憎的恶俗,就是在你们以先的人所常行的,以致玷污了自己。我是耶和华─你们的 神。」