Leviticus 15

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和华对摩西、亚伦说:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
「你们晓谕以色列人说:人若身患漏症,他因这漏症就不洁净了。
Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
他患漏症,无论是下流的,是止住的,都是不洁净。
Maloto ny fandriana rehetra izay andrian'ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
他所躺的床都为不洁净,所坐的物也为不洁净。
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡摸那床的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary izay mipetraka amin'ny zavatra izay efa nipetrahan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
那坐患漏症人所坐之物的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary izay mikasika ny tenan'ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
那摸患漏症人身体的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary raha misy olona madio voaroran'ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro
若患漏症人吐在洁净的人身上,那人必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan'ny marary mitsika.
患漏症人所骑的鞍子也为不洁净。
Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡摸了他身下之物的,必不洁净到晚上;拿了那物的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin'ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
患漏症的人没有用水涮手,无论摸了谁,谁必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin'ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
患漏症人所摸的瓦器就必打破;所摸的一切木器也必用水涮洗。
Ary raha sitrana amin'ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin'ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano mandeha izy, dia hadio.
「患漏症的人痊癒了,就要为洁净自己计算七天,也必洗衣服,用活水洗身,就洁净了。
Ary amin'ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin'ny mpisorona izy.
第八天,要取两只斑鸠或是两只雏鸽,来到会幕门口、耶和华面前,把鸟交给祭司。
Dia haterin'ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
祭司要献上一只为赎罪祭,一只为燔祭;因那人患的漏症,祭司要在耶和华面前为他赎罪。
Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
「人若梦遗,他必不洁净到晚上,并要用水洗全身。
ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
无论是衣服是皮子,被精所染,必不洁净到晚上,并要用水洗。
Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
若男女交合,两个人必不洁净到晚上,并要用水洗澡。
Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
「女人行经,必污秽七天;凡摸她的,必不洁净到晚上。
Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
女人在污秽之中,凡她所躺的物件都为不洁净,所坐的物件也都不洁净。
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡摸她床的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡摸她所坐什么物件的,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Ary raha ao amin'ny fandriana izany, na ao amin'ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
在女人的床上,或在她坐的物上,若有别的物件,人一摸了,必不洁净到晚上。
Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
男人若与那女人同房,染了她的污秽,就要七天不洁净;所躺的床也为不洁净。
Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin'ny andro fahalotoany amin'ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin'ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin'ny andron'ny faharariany rehetra, tahaka ny amin'ny andro fahalotoany ihany.
「女人若在经期以外患多日的血漏,或是经期过长,有了漏症,她就因这漏症不洁净,与她在经期不洁净一样。
Ny fandriana rehetra andriany amin'ny andron'ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin'ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin'ny fadim-bolany.
她在患漏症的日子所躺的床、所坐的物都要看为不洁净,与她月经的时候一样。
Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡摸这些物件的,就为不洁净,必不洁净到晚上,并要洗衣服,用水洗澡。
Fa raha sitrana amin'ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
女人的漏症若好了,就要计算七天,然后才为洁净。
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
第八天,要取两只斑鸠或是两只雏鸽,带到会幕门口给祭司。
Dia haterin'ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
祭司要献一只为赎罪祭,一只为燔祭;因那人血漏不洁,祭司要在耶和华面前为她赎罪。
Dia hampisarahinareo amin'ny fahalotoany ny Zanak'Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
「你们要这样使以色列人与他们的污秽隔绝,免得他们玷污我的帐幕,就因自己的污秽死亡。」
Izany no lalàna ny amin'ny marary mitsika, sy ny amin'izay ialan'ny azy, ka mahaloto azy izany,
这是患漏症和梦遗而不洁净的,
ary ny amin'ny mararin'ny fadim-bolany, ary ny amin'ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin'izay mandry amin'ny vehivavy maloto.
并有月经病的和患漏症的,无论男女,并人与不洁净女人同房的条例。