Leviticus 14

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Izao no lalàna ny amin'ny boka amin'ny andro fanavotana azy: ho entina any amin'ny mpisorona izy;
「长大痲疯得洁净的日子,其例乃是这样:要带他去见祭司;
dia hivoaka eny ivelan'ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin'ny habokany ny boka,
祭司要出到营外察看,若见他的大痲疯痊癒了
dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain'ny mpisorona ho an'ilay hodiovina;
就要吩咐人为那求洁净的拿两只洁净的活鸟和香柏木、朱红色线,并牛膝草来。
Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha;
祭司要吩咐用瓦器盛活水,把一只鸟宰在上面。
Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin'ny vorona velona eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina teo ambonin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha.
至于那只活鸟,祭司要把牠和香柏木、朱红色线并牛膝草一同蘸于宰在活水上的鸟血中,
Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin'ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
用以在那长大痲疯求洁净的人身上洒七次,就定他为洁净,又把活鸟放在田野里。
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan'ny lainy hafitoana.
求洁净的人当洗衣服,剃去毛发,用水洗澡,就洁净了;然后可以进营,只是要在自己的帐棚外居住七天。
Ary amin'ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin'ny rano, dia hadio izy.
第七天,再把头上所有的头发与胡须、眉毛,并全身的毛,都剃了;又要洗衣服,用水洗身,就洁净了。
Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
「第八天,他要取两只没有残疾的公羊羔和一只没有残疾、一岁的母羊羔,又要把调油的细面伊法十分之三为素祭,并油一罗革,一同取来。
Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
行洁净之礼的祭司要将那求洁净的人和这些东西安置在会幕门口、耶和华面前。
dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
祭司要取一只公羊羔献为赎愆祭,和那一罗革油一同作摇祭,在耶和华面前摇一摇;
Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.
把公羊羔宰于圣地,就是宰赎罪祭牲和燔祭牲之地。赎愆祭要归祭司,与赎罪祭一样,是至圣的。
Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
祭司要取些赎愆祭牲的血,抹在求洁净人的右耳垂上和右手的大拇指上,并右脚的大拇指上。
ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
祭司要从那一罗革油中取些倒在自己的左手掌里,
dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.
把右手的一个指头蘸在左手的油里,在耶和华面前用指头弹七次。
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
将手里所剩的油抹在那求洁净人的右耳垂上和右手的大拇指上,并右脚的大拇指上,就是抹在赎愆祭牲的血上。
ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.
祭司手里所剩的油要抹在那求洁净人的头上,在耶和华面前为他赎罪。
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
祭司要献赎罪祭,为那本不洁净、求洁净的人赎罪;然后要宰燔祭牲,
ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
把燔祭和素祭献在坛上,为他赎罪,他就洁净了。
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak'ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
「他若贫穷不能预备够数,就要取一只公羊羔作赎愆祭,可以摇一摇,为他赎罪;也要把调油的细面伊法十分之一为素祭,和油一罗革一同取来;
ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
又照他的力量取两只斑鸠或是两只雏鸽,一只作赎罪祭,一只作燔祭。
Dia ho eniny any amin'ny mpisorona ireo amin'ny andro fahavalon'ny fanadiovana azy, ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah.
第八天,要为洁净,把这些带到会幕门口、耶和华面前,交给祭司。
Dia horaisin'ny mpisorona ny zanak'ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
祭司要把赎愆祭的羊羔和那一罗革油一同作摇祭,在耶和华面前摇一摇。
Dia hovonoina ny zanak'ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
要宰了赎愆祭的羊羔,取些赎愆祭牲的血,抹在那求洁净人的右耳垂上和右手的大拇指上,并右脚的大拇指上。
ary hangalan'ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
祭司要把些油倒在自己的左手掌里,
dia hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah;
把左手里的油,在耶和华面前,用右手的一个指头弹七次,
dia hotentenan'ny mpisorona amin'ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;
又把手里的油抹些在那求洁净人的右耳垂上和右手的大拇指上,并右脚的大拇指上,就是抹赎愆祭之血的原处。
ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
祭司手里所剩的油要抹在那求洁净人的头上,在耶和华面前为他赎罪。
Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
那人又要照他的力量献上一只斑鸠或是一只雏鸽,
dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin'ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina eo anatrehan'i Jehovah.
就是他所能办的,一只为赎罪祭,一只为燔祭,与素祭一同献上;祭司要在耶和华面前为他赎罪。
Izany no lalàna ny amin'ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
这是那有大痲疯灾病的人、不能将关乎得洁净之物预备够数的条例。」
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西、亚伦说:
Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,
你们到了我赐给你们为业的迦南地,我若使你们所得为业之地的房屋中有大痲疯的灾病,
dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.
房主就要去告诉祭司说:『据我看,房屋中似乎有灾病。』
Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
祭司还没有进去察看灾病以前,就要吩咐人把房子腾空,免得房子里所有的都成了不洁净;然后祭司要进去察看房子。
ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,
他要察看那灾病,灾病若在房子的墙上有发绿或发红的凹斑纹,现象洼于墙,
dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
祭司就要出到房门外,把房子封锁七天。
Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,
第七天,祭司要再去察看,灾病若在房子的墙上发散,
dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;
就要吩咐人把那有灾病的石头挖出来,扔在城外不洁净之处;
dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
也要叫人刮房内的四围,所刮掉的灰泥要倒在城外不洁净之处;
Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
又要用别的石头代替那挖出来的石头,要另用灰泥墁房子。
Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
「他挖出石头,刮了房子,墁了以后,灾病若在房子里又发现,
ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.
祭司就要进去察看,灾病若在房子里发散,这就是房内蚕食的大痲疯,是不洁净。
Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.
他就要拆毁房子,把石头、木头、灰泥都搬到城外不洁净之处。
Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;
在房子封锁的时候,进去的人必不洁净到晚上;
ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
在房子里躺著的必洗衣服;在房子里吃饭的也必洗衣服。
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
「房子墁了以后,祭司若进去察看,见灾病在房内没有发散,就要定房子为洁净,因为灾病已经消除。
Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
要为洁净房子取两只鸟和香柏木、朱红色线并牛膝草,
Dia hovonoiny eo ambonin'ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin'ny rano mandeha ny vorona anankiray;
用瓦器盛活水,把一只鸟宰在上面,
dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin'ny ran'ny vorona izay novonoina sy eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
把香柏木、牛膝草、朱红色线,并那活鸟,都蘸在被宰的鸟血中与活水中,用以洒房子七次。
Dia hanadio ny trano amin'ny ran'ny vorona izy sy amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha sy amin'ny vorona velona sy amin'ny hazo sedera sy amin'ny hysopa ary amin'ny jaky.
要用鸟血、活水、活鸟、香柏木、牛膝草,并朱红色线,洁净那房子。
Fa hasainy ho entina eny ivelan'ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an'ny trano izy, ka dia hadio izany.
但要把活鸟放在城外田野里。这样洁净房子(原文是为房子赎罪),房子就洁净了。」
Izany no lalàna ny amin'ny habokana rehetra sy ny kongonina,
这是为各类大痲疯的灾病和头疥,
ary amin'ny habokana amin'ny fitafiana sy amin'ny trano,
并衣服与房子的大痲疯,
ary ny amin'ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
以及疖子、癣、火斑所立的条例,
hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin'ny habokana.
指明何时为洁净,何时为不洁净。这是大痲疯的条例。