Leviticus 13

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西、亚伦说:
Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;
「人的肉皮上若长了疖子,或长了癣,或长了火斑,在他肉皮上成了大痲疯的灾病,就要将他带到祭司亚伦或亚伦作祭司的一个子孙面前。
koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
祭司要察看肉皮上的灾病,若灾病处的毛已经变白,灾病的现象深于肉上的皮,这便是大痲疯的灾病。祭司要察看他,定他为不洁净。
Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin'ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
若火斑在他肉皮上是白的,现象不深于皮,其上的毛也没有变白,祭司就要将有灾病的人关锁七天。
Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
第七天,祭司要察看他,若看灾病止住了,没有在皮上发散,祭司还要将他关锁七天。
ary raha zahan'ny mpisorona indray amin'ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin'ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
第七天,祭司要再察看他,若灾病发暗,而且没有在皮上发散,祭司要定他为洁净,原来是癣;那人就要洗衣服,得为洁净。
Fa raha nanitatra teo amin'ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian'ny nisehoany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fanadiovana azy, dia hiseho amin'ny mpisorona indray izy.
但他为得洁净,将身体给祭司察看以后,癣若在皮上发散开了,他要再将身体给祭司察看。
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin'ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
祭司要察看,癣若在皮上发散,就要定他为不洁净,是大痲疯。
Raha misy habokana amin'ny olona, dia ho entina any amin'ny mpisorona izy;
「人有了大痲疯的灾病,就要将他带到祭司面前。
ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
祭司要察看,皮上若长了白疖,使毛变白,在长白疖之处有了红瘀肉,
dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
这是肉皮上的旧大痲疯,祭司要定他为不洁净,不用将他关锁,因为他是不洁净了。
Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
大痲疯若在皮上四外发散,长满了患灾病人的皮,据祭司察看,从头到脚无处不有,
ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
祭司就要察看,全身的肉若长满了大痲疯,就要定那患灾病的为洁净;全身都变为白,他乃洁净了。
Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
但红肉几时显在他的身上就几时不洁净。
Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
祭司一看那红肉就定他为不洁净。红肉本是不洁净,是大痲疯。
Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
红肉若复原,又变白了,他就要来见祭司。
ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
祭司要察看,灾病处若变白了,祭司就要定那患灾病的为洁净,他乃洁净了。
Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
「人若在皮肉上长疮,却治好了,
ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
在长疮之处又起了白疖,或是白中带红的火斑,就要给祭司察看。
Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
祭司要察看,若现象洼于皮,其上的毛也变白了,就要定他为不洁净,是大痲疯的灾病发在疮中。
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
祭司若察看,其上没有白毛,也没有洼于皮,乃是发暗,就要将他关锁七天。
ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
若在皮上发散开了,祭司就要定他为不洁净,是灾病。
Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
火斑若在原处止住,没有发散,便是疮的痕迹,祭司就要定他为洁净。
Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
「人的皮肉上若起了火毒,火毒的瘀肉成了火斑,或是白中带红的,或是全白的,
ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
祭司就要察看,火斑中的毛若变白了,现象又深于皮,是大痲疯在火毒中发出,就要定他为不洁净,是大痲疯的灾病。
Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
但是祭司察看,在火斑中若没有白毛,也没有洼于皮,乃是发暗,就要将他关锁七天。
ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
到第七天,祭司要察看他,火斑若在皮上发散开了,就要定他为不洁净,是大痲疯的灾病。
Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
火斑若在原处止住,没有在皮上发散,乃是发暗,是起的火毒,祭司要定他为洁净,不过是火毒的痕迹。
Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
「无论男女,若在头上有灾病,或是男人胡须上有灾病,
ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.
祭司就要察看;这灾病现象若深于皮,其间有细黄毛,就要定他为不洁净,这是头疥,是头上或是胡须上的大痲疯。
Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
祭司若察看头疥的灾病,现象不深于皮,其间也没有黑毛,就要将长头疥灾病的关锁七天。
Ary raha zahan'ny mpisorona ny aretina amin'ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
第七天,祭司要察看灾病,若头疥没有发散,其间也没有黄毛,头疥的现象不深于皮,
dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
那人就要剃去须发,但他不可剃头疥之处。祭司要将那长头疥的,再关锁七天。
Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
第七天,祭司要察看头疥,头疥若没有在皮上发散,现象也不深于皮,就要定他为洁净,他要洗衣服,便成为洁净。
Fa raha nanitatra teo amin'ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
但他得洁净以后,头疥若在皮上发散开了,
dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
祭司就要察看他。头疥若在皮上发散,就不必找那黄毛,他是不洁净了。
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
祭司若看头疥已经止住,其间也长了黑毛,头疥已然痊癒,那人是洁净了,就要定他为洁净。
Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin'ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
「无论男女,皮肉上若起了火斑,就是白火斑,
ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin'ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin'ny hoditra izany, madio izany.
祭司就要察看,他们肉皮上的火斑若白中带黑,这是皮上发出的白癣,那人是洁净了。
Ary ny amin'ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
「人头上的发若掉了,他不过是头秃,还是洁净。
Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin'ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
他顶前若掉了头发,他不过是顶门秃,还是洁净。
Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin'ny loha sola, na amin'ny mazavaray izany
头秃处或是顶门秃处若有白中带红的灾病,这就是大痲疯发在他头秃处或是顶门秃处,
Ary raha zahan'ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin'ny aretina eo amin'ny loha sola, na eo amin'ny mazavaray, tahaka ny fisehon'ny habokana eo amin'ny hoditry ny nofo,
祭司就要察看,他起的那灾病若在头秃处或是顶门秃处有白中带红的,像肉皮上大痲疯的现象,
dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.
那人就是长大痲疯,不洁净的,祭司总要定他为不洁净,他的灾病是在头上。
Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
「身上有长大痲疯灾病的,他的衣服要撕裂,也要蓬头散发,蒙著上唇,喊叫说:『不洁净了!不洁净了!』
Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.
灾病在他身上的日子,他便是不洁净;他既是不洁净,就要独居营外。」
Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,
「染了大痲疯灾病的衣服,无论是羊毛衣服、是麻布衣服,
sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,
无论是在经上、在纬上,是麻布的、是羊毛的,是在皮子上,或在皮子做的什么物件上,
raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.
或在衣服上、皮子上,经上、纬上,或在皮子做的什么物件上,这灾病若是发绿,或是发红,是大痲疯的灾病,要给祭司察看。
Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
祭司就要察看那灾病,把染了灾病的物件关锁七天。
Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
第七天,他要察看那灾病,灾病或在衣服上,经上、纬上,皮子上,若发散,这皮子无论当作何用,这灾病是蚕食的大痲疯,都是不洁净了。
Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.
那染了灾病的衣服,或是经上、纬上,羊毛上,麻衣上,或是皮子做的什么物件上,他都要焚烧;因为这是蚕食的大痲疯,必在火中焚烧。
Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,
「祭司要察看,若灾病在衣服上,经上、纬上,或是皮子做的什么物件上,没有发散,
dia hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
祭司就要吩咐他们,把染了灾病的物件洗了,再关锁七天。
ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.
洗过以后,祭司要察看,那物件若没有变色,灾病也没有消散,那物件就不洁净,是透重的灾病,无论正面反面,都要在火中焚烧。
Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.
洗过以后,祭司要察看,若见那灾病发暗,他就要把那灾病从衣服上、皮子上、经上、纬上,都撕去。
Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.
若仍现在衣服上,或是经上、纬上、皮子做的什么物件上,这就是灾病又发了、必用火焚烧那染灾病的物件。
Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
所洗的衣服,或是经,或是纬,或是皮子做的什么物件,若灾病离开了,要再洗,就洁净了。」
Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.
这就是大痲疯灾病的条例,无论是在羊毛衣服上,麻布衣服上,经上、纬上,和皮子做的什么物件上,可以定为洁净或是不洁净。