Leviticus 12

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
「你晓谕以色列人说:若有妇人怀孕生男孩,她就不洁净七天,像在月经污秽的日子不洁净一样。
Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
第八天,要给婴孩行割礼。
Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
妇人在产血不洁之中,要家居三十三天。她洁净的日子未满,不可摸圣物,也不可进入圣所。
Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.
她若生女孩,就不洁净两个七天,像污秽的时候一样,要在产血不洁之中,家居六十六天。
Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
「满了洁净的日子,无论是为男孩是为女孩,她要把一岁的羊羔为燔祭,一只雏鸽或是一只斑鸠为赎罪祭,带到会幕门口交给祭司。
Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
祭司要献在耶和华面前,为她赎罪,她的血源就洁净了。这条例是为生育的妇人,无论是生男生女。
Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
她的力量不够献一只羊羔,她就要取两只斑鸠或是两只雏鸽,一只为燔祭,一只为赎罪祭。祭司要为她赎罪,她就洁净了。」