Leviticus 1

Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:
耶和华从会幕中呼叫摩西,对他说:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
「你晓谕以色列人说:你们中间若有人献供物给耶和华,要从牛群羊群中献牲畜为供物。
Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
「他的供物若以牛为燔祭,就要在会幕门口献一只没有残疾的公牛,可以在耶和华面前蒙悦纳。
Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
他要按手在燔祭牲的头上,燔祭便蒙悦纳,为他赎罪。
Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
他要在耶和华面前宰公牛;亚伦子孙作祭司的,要奉上血,把血洒在会幕门口、坛的周围。
ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
那人要剥去燔祭牲的皮,把燔祭牲切成块子。
Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo.
祭司亚伦的子孙要把火放在坛上,把柴摆在火上。
Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
亚伦子孙作祭司的,要把肉块和头并脂油摆在坛上火的柴上。
fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia hodoran'ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin'ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
但燔祭的脏腑与腿要用水洗。祭司就要把一切全烧在坛上,当作燔祭,献与耶和华为馨香的火祭。
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
人的供物若以绵羊或山羊为燔祭,就要献上没有残疾的公羊。
Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
要把羊宰于坛的北边,在耶和华面前;亚伦子孙作祭司的,要把羊血洒在坛的周围。
Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;
要把燔祭牲切成块子,连头和脂油,祭司就要摆在坛上火的柴上;
fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin'ny rano; dia ho entin'ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
但脏腑与腿要用水洗,祭司就要全然奉献,烧在坛上。这是燔祭,是献与耶和华为馨香的火祭。
Ary raha vorona no ateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
人奉给耶和华的供物,若以鸟为燔祭,就要献斑鸠或是雏鸽为供物。
Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny;
祭司要把鸟拿到坛前,揪下头来,把鸟烧在坛上;鸟的血要流在坛的旁边;
ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan'ny alitara, dia eo amin'ny fitoeran-davenona;
又要把鸟的嗉子和脏物(脏物:或作翎毛)除掉,丢在坛的东边倒灰的地方。
ary hosamahany amin'ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny kitay izay eo amin'ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
要拿著鸟的两个翅膀,把鸟撕开,只是不可撕断;祭司要在坛上、在火的柴上焚烧。这是燔祭,是献与耶和华为馨香的火祭。」