Lamentations 2

Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
主何竟发怒,使黑云遮蔽锡安城!他将以色列的华美从天扔在地上;在他发怒的日子并不记念自己的脚凳。
Nolevonin'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,
主吞灭雅各一切的住处,并不顾惜。他发怒倾覆犹大民的保障,使这保障坍倒在地;他辱没这国和其中的首领。
Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
他发烈怒,把以色列的角全然砍断,在仇敌面前收回右手。他像火焰四围吞灭,将雅各烧毁。
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
他张弓好像仇敌;他站著举起右手,如同敌人将悦人眼目的,尽行杀戮。在锡安百姓的帐棚上倒出他的忿怒,像火一样。
Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.
主如仇敌吞灭以色列和锡安的一切宫殿,拆毁百姓的保障;在犹大民中加增悲伤哭号。
Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
他强取自己的帐幕,好像是园中的窝棚,毁坏他的聚会之处。耶和华使圣节和安息日在锡安都被忘记,又在怒气的愤恨中藐视君王和祭司。
Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
耶和华丢弃自己的祭坛,憎恶自己的圣所,将宫殿的墙垣交付仇敌。他们在耶和华的殿中喧嚷,像在圣会之日一样。
Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.
耶和华定意拆毁锡安的城墙;他拉了准绳,不将手收回,定要毁灭。他使外郭和城墙都悲哀,一同衰败。
Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
锡安的门都陷入地内;主将她的门闩毁坏,折断。她的君王和首领落在没有律法的列国中;她的先知不得见耶和华的异象。
Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.
锡安城的长老坐在地上默默无声;他们扬起尘土落在头上,腰束麻布;耶路撒冷的处女垂头至地。
Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
我眼中流泪,以致失明,我的心肠扰乱,肝胆涂地,都因我众民遭毁灭,又因孩童和吃奶的在城内街上发昏。
Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
那时,他们在城内街上发昏,好像受伤的,在母亲的怀里,将要丧命;对母亲说:谷、酒在哪里呢?
Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
耶路撒冷的民哪,我可用什么向你证明呢?我可用什么与你相比呢?锡安的民哪,我可拿什么和你比较,好安慰你呢?因为你的裂口大如海,谁能医治你呢?
Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.
你的先知为你见虚假和愚昧的异象,并没有显露你的罪孽,使你被掳的归回;却为你见虚假的默示和使你被赶出本境的缘故。
Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?
凡过路的都向你拍掌。他们向耶路撒冷城嗤笑,摇头,说:难道人所称为全美的,称为全地所喜悦的,就是这城吗?
Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
你的仇敌都向你大大张口;他们嗤笑,又切齿说:我们吞灭她。这真是我们所盼望的日子临到了!我们亲眼看见了!
Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
耶和华成就了他所定的,应验了他古时所命定的。他倾覆了,并不顾惜,使你的仇敌向你夸耀;使你敌人的角也被高举。
Ny fonao mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.
锡安民的心哀求主。锡安的城墙啊,愿你流泪如河,昼夜不息;愿你眼中的瞳人泪流不止。
Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
夜间,每逢交更的时候要起来呼喊,在主面前倾心如水。你的孩童在各市口上受饿发昏;你要为他们的性命向主举手祷告。
Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?
耶和华啊,求你观看!见你向谁这样行?妇人岂可吃自己所生育手里所摇弄的婴孩吗?祭司和先知岂可在主的圣所中被杀戮吗?
Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
少年人和老年人都在街上躺卧;我的处女和壮丁都倒在刀下;你发怒的日子杀死他们。你杀了,并不顾惜。
Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
你招聚四围惊吓我的,像在大会的日子招聚人一样。耶和华发怒的日子,无人逃脱,无人存留。我所摇弄所养育的婴孩,仇敌都杀净了。