Judges 11

Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
基列人耶弗他是个大能的勇士,是妓女的儿子。耶弗他是基列所生的。
Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
基列的妻也生了几个儿子:他妻所生的儿子长大了,就赶逐耶弗他,说:「你不可在我们父家承受产业,因为你是妓女的儿子。」
Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
耶弗他就逃避他的弟兄,去住在陀伯地,有些匪徒到他那里聚集,与他一同出入。
Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
过了些日子,亚扪人攻打以色列。
Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
亚扪人攻打以色列的时候,基列的长老到陀伯地去,要叫耶弗他回来;
Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
对耶弗他说:「请你来作我们的元帅,我们好与亚扪人争战。」
Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
耶弗他回答基列的长老说:「从前你们不是恨我、赶逐我出离父家吗?现在你们遭遇急难为何到我这里来呢?」
Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
基列的长老回答耶弗他说:「现在我们到你这里来,是要你同我们去,与亚扪人争战;你可以作基列一切居民的领袖。」
Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
耶弗他对基列的长老说:「你们叫我回去,与亚扪人争战,耶和华把他交给我,我可以作你们的领袖吗?」
Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
基列的长老回答耶弗他说:「有耶和华在你我中间作见证,我们必定照你的话行。」
Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
于是耶弗他同基列的长老回去,百姓就立耶弗他作领袖、作元帅。耶弗他在米斯巴将自己的一切话陈明在耶和华面前。
Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
耶弗他打发使者去见亚扪人的王,说:「你与我有什么相干,竟来到我国中攻打我呢?」
Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
亚扪人的王回答耶弗他的使者说:「因为以色列人从埃及上来的时候占据我的地,从亚嫩河到雅博河,直到约旦河。现在你要好好地将这地归还吧!」
Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
耶弗他又打发使者去见亚扪人的王,
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.
对他说:「耶弗他如此说,以色列人并没有占据摩押地和亚扪人的地。
Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
以色列人从埃及上来乃是经过旷野到红海,来到加低斯,
Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
就打发使者去见以东王,说:『求你容我从你的地经过。』以东王却不应允。又照样打发使者去见摩押王,他也不允准。以色列人就住在加低斯。
Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
他们又经过旷野,绕著以东和摩押地,从摩押地的东边过来,在亚嫩河边安营,并没有入摩押的境内,因为亚嫩河是摩押的边界。
Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
以色列人打发使者去见亚摩利王西宏,就是希实本的王,对他说:『求你容我们从你的地经过,往我们自己的地方去。』
Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
西宏却不信服以色列人,不容他们经过他的境界,乃招聚他的众民在雅杂安营,与以色列人争战。
Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
耶和华─以色列的 神将西宏和他的众民都交在以色列人手中,以色列人就击杀他们,得了亚摩利人的全地:
Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
从亚嫩河到雅博河,从旷野直到约旦河。
Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
耶和华─以色列的 神在他百姓以色列面前赶出亚摩利人,你竟要得他们的地吗?
Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
你的神基抹所赐你的地你不是得为业吗?耶和华─我们的 神在我们面前所赶出的人,我们就得他的地。
Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
难道你比摩押王西拨的儿子巴勒还强吗?他曾与以色列人争竞,或是与他们争战吗?
Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
以色列人住希实本和属希实本的乡村,亚罗珥和属亚罗珥的乡村,并沿亚嫩河的一切城邑,已经有三百年了;在这三百年之内,你们为什么没有取回这些地方呢?
Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
原来我没有得罪你,你却攻打我,恶待我。愿审判人的耶和华今日在以色列人和亚扪人中间判断是非。」
Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
但亚扪人的王不肯听耶弗他打发人说的话。
Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
耶和华的灵降在耶弗他身上,他就经过基列和玛拿西,来到基列的米斯巴,又从米斯巴来到亚扪人那里。
Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,
耶弗他就向耶和华许愿,说:「你若将亚扪人交在我手中,
dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
我从亚扪人那里平平安安回来的时候,无论什么人,先从我家门出来迎接我,就必归你,我也必将他献上为燔祭。」
Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
于是耶弗他往亚扪人那里去,与他们争战;耶和华将他们交在他手中,
Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
他就大大杀败他们,从亚罗珥到米匿,直到亚备勒‧基拉明,攻取了二十座城。这样亚扪人就被以色列人制伏了。
Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
耶弗他回米斯巴到了自己的家,不料,他女儿拿著鼓跳舞出来迎接他,是他独生的,此外无儿无女。
Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
耶弗他看见她,就撕裂衣服,说:「哀哉!我的女儿啊,你使我甚是愁苦,叫我作难了;因为我已经向耶和华开口许愿,不能挽回。」
Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
他女儿回答说:「父啊,你既向耶和华开口,就当照你口中所说的向我行,因耶和华已经在仇敌亚扪人身上为你报仇」;
Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
又对父亲说:「有一件事求你允准:容我去两个月,与同伴在山上,好哀哭我终为处女。」
Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
耶弗他说:「你去吧!」就容她去两个月。她便和同伴去了,在山上为她终为处女哀哭。
Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely
两月已满,她回到父亲那里,父亲就照所许的愿向她行了。女儿终身没有亲近男子。
ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.
此后以色列中有个规矩,每年以色列的女子去为基列人耶弗他的女儿哀哭四天。