Joshua 4

Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
国民尽都过了约旦河,耶和华就对约书亚说:
Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
「你从民中要拣选十二个人,每支派一人,
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
吩咐他们说:『你们从这里,从约旦河中、祭司脚站定的地方,取十二块石头带过去,放在你们今夜要住宿的地方。』」
Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
于是,约书亚将他从以色列人中所预备的那十二个人,每支派一人,都召了来。
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
对他们说:「你们下约旦河中,过到耶和华─你们 神的约柜前头,按著以色列人十二支派的数目,每人取一块石头扛在肩上。
mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?
这些石头在你们中间可以作为证据。日后,你们的子孙问你们说:『这些石头是什么意思?』
dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
你们就对他们说:『这是因为约旦河的水在耶和华的约柜前断绝;约柜过约旦河的时候,约旦河的水就断绝了。这些石头要作以色列人永远的纪念。』」
Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
以色列人就照约书亚所吩咐的,按著以色列人支派的数目,从约旦河中取了十二块石头,都遵耶和华所吩咐约书亚的行了。他们把石头带过去,到他们所住宿的地方,就放在那里。
Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
约书亚另把十二块石头立在约旦河中,在抬约柜的祭司脚站立的地方;直到今日,那石头还在那里。
Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
抬约柜的祭司站在约旦河中,等到耶和华晓谕约书亚吩咐百姓的事办完了,是照摩西所吩咐约书亚的一切话。于是百姓急速过去了。
Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona.
众百姓尽都过了河,耶和华的约柜和祭司就在百姓面前过去。
Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
流便人、迦得人、玛拿西半支派的人都照摩西所吩咐他们的,带著兵器在以色列人前头过去。
Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay any Jeriko.
约有四万人都准备打仗,在耶和华面前过去,到耶利哥的平原,等候上阵。
Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
当那日,耶和华使约书亚在以色列众人眼前尊大。在他平生的日子,百姓敬畏他,像从前敬畏摩西一样。
Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
耶和华晓谕约书亚说:
Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
「你吩咐抬法柜的祭司从约旦河里上来。」
Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
约书亚就吩咐祭司说:「你们从约旦河里上来。」
Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
抬耶和华约柜的祭司从约旦河里上来,脚掌刚落旱地,约旦河的水就流到原处,仍旧涨过两岸。
Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
正月初十日,百姓从约旦河里上来,就在吉甲,在耶利哥的东边安营。
Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.
他们从约旦河中取来的那十二块石头,约书亚就立在吉甲,
Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?
对以色列人说:「日后你们的子孙问他们的父亲说:『这些石头是什么意思?』
dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.
你们就告诉他们说:『以色列人曾走干地过这约旦河;
Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
因为耶和华─你们的 神在你们前面使约旦河的水干了,等著你们过来,就如耶和华─你们的 神从前在我们前面使红海干了,等著我们过来一样,
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
要使地上万民都知道,耶和华的手大有能力,也要使你们永远敬畏耶和华─你们的 神。』」