Joshua 22

Ary tamin'izay dia nantsoin'i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase,
当时,约书亚召了流便人、迦得人,和玛拿西半支派的人来,
ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
对他们说:耶和华仆人摩西所吩咐你们的,你们都遵守了;我所吩咐你们的,你们也都听从了。
tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin'izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain'i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
你们这许多日子,总没有撇离你们的弟兄,直到今日,并守了耶和华─你们 神所吩咐你们当守的。
Ary ankehitriny dia efa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin'ny lainareo avy, ho any amin'ny taninareo, izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo any an-dafin'i Jordana.
如今耶和华─你们 神照著他所应许的,使你们弟兄得享平安,现在可以转回你们的帐棚,到耶和华的仆人摩西在约旦河东所赐你们为业之地。
Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo, hitiavanareo an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin'ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
只要切切的谨慎遵行耶和华仆人摩西所吩咐你们的诫命律法,爱耶和华─你们的 神,行他一切的道,守他的诫命,专靠他,尽心尽性事奉他。
Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin'ny lainy avy izy.
于是约书亚为他们祝福,打发他们去,他们就回自己的帐棚去了。
Ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nomen'i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen'i Josoa teo amin'ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan'i Jordana. Ary raha nampodin'i Josoa ho any amin'ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
玛拿西那半支派,摩西早已在巴珊分给他们地业。这半支派,约书亚在约旦河西,在他们弟兄中,分给他们地业。约书亚打发他们回帐棚的时候为他们祝福,
ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo.
对他们说:「你们带许多财物,许多牲畜和金、银、铜、铁,并许多衣服,回你们的帐棚去,要将你们从仇敌夺来的物,与你们众弟兄同分。」
Dia nody ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nandao ny Zanak'Isiraely tao Silo, izay ao amin'ny tany Kanana, hankany amin'ny tany Gileada ho any amin'ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin'i Jehovah nasainy nolazain'i Mosesy.
于是流便人、迦得人、玛拿西半支派的人从迦南地的示罗起行,离开以色列人,回往他们得为业的基列地,就是照耶和华借摩西所吩咐的得了为业之地。
Ary raha tonga teo amoron'i Jordana eo amin'ny tany Kanana ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
流便人、迦得人,和玛拿西半支派的人到了靠近约旦河的一带迦南地,就在约旦河那里筑了一座坛;那坛看著高大。
Ary ny Zanak'Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase efa nanorina alitara an-tsisin'ny tany Kanana, eo amoron'i Jordana, anatin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely.
以色列人听说流便人、迦得人、玛拿西半支派的人靠近约旦河边,在迦南地属以色列人的那边筑了一座坛。
Ary nony ren'ny Zanak'Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
全会众一听见,就聚集在示罗,要上去攻打他们。
Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
以色列人打发祭司以利亚撒的儿子非尼哈,往基列地去见流便人、迦得人、玛拿西半支派的人;
sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
又打发十个首领与非尼哈同去,就是以色列每支派的一个首领,都是以色列军中的统领。
Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
他们到了基列地,见流便人、迦得人,和玛拿西半支派的人,对他们说:
Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
「耶和华全会众这样说,你们今日转去不跟从耶和华,干犯以色列的 神,为自己筑一座坛,悖逆了耶和华,这犯的是什么罪呢?
Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,
从前拜毗珥的罪孽还算小吗?虽然瘟疫临到耶和华的会众,到今日我们还没有洗净这罪。
no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
你们今日竟转去不跟从耶和华吗?你们今日既悖逆耶和华,明日他必向以色列全会众发怒。
Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.
你们所得为业之地,若嫌不洁净,就可以过到耶和华之地,就是耶和华的帐幕所住之地,在我们中间得地业。只是不可悖逆耶和华,也不可得罪我们,在耶和华─我们 神的坛以外为自己筑坛。
Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.
从前谢拉的曾孙亚干岂不是在那当灭的物上犯了罪,就有忿怒临到以色列全会众吗?那人在所犯的罪中不独一人死亡。」
Dia namaly ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nanao tamin'ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely hoe:
于是流便人、迦得人、玛拿西半支派的人回答以色列军中的统领说:
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
「大能者 神耶和华!大能者 神耶和华!他是知道的!以色列人也必知道!我们若有悖逆的意思,或是干犯耶和华(愿你今日不保佑我们),
raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
为自己筑坛,要转去不跟从耶和华,或是要将燔祭、素祭、平安祭献在坛上,愿耶和华亲自讨我们的罪。
fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
我们行这事并非无故,是特意做的,说:恐怕日后你们的子孙对我们的子孙说:『你们与耶和华─以色列的 神有何关涉呢?
fa Jordana no nataon'i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak'i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan'ny taranakareo tsy hatahotra an'i Jehovah ny taranakay,
因为耶和华把约旦河定为我们和你们这流便人、迦得人的交界,你们与耶和华无分了。』这样,你们的子孙就使我们的子孙不再敬畏耶和华了。
Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
因此我们说:『不如为自己筑一座坛,不是为献燔祭,也不是为献别的祭,
fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo.
乃是为你我中间和你我后人中间作证据,好叫我们也在耶和华面前献燔祭、平安祭,和别的祭事奉他,免得你们的子孙日后对我们的子孙说,你们与耶和华无分了。』
Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran'i Jehovah, izay nataon'ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
所以我们说:『日后你们对我们,或对我们的后人这样说,我们就可以回答说,你们看我们列祖所筑的坛是耶和华坛的样式;这并不是为献燔祭,也不是为献别的祭,乃是为作你我中间的证据。』
Sanatria aminay raha hiodina amin'i Jehovah ka hiala anio amin'ny fanarahana an'i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny tabernakeliny.
我们在耶和华─我们 神帐幕前的坛以外,另筑一座坛,为献燔祭、素祭,和别的祭,悖逆耶和华,今日转去不跟从他,我们断没有这个意思。」
Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.
祭司非尼哈与会中的首领,就是与他同来以色列军中的统领,听见流便人、迦得人、玛拿西人所说的话,就都以为美。
Ary hoy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, tamin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin'i Jehovah ianareo; ary amin'izany dia efa namonjy ny Zanak'Isiraely tamin'ny tànan'i Jehovah ianareo.
祭司以利亚撒的儿子非尼哈对流便人、迦得人、玛拿西人说:「今日我们知道耶和华在我们中间,因为你们没有向他犯了这罪。现在你们救以色列人脱离耶和华的手了。」
Ary Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak'i Robena sy Gada tany amin'ny tany Gileada ka nankany amin'ny tany Kanana ho any amin'ny Zanak'Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
祭司以利亚撒的儿子非尼哈与众首领离了流便人、迦得人,从基列地回往迦南地,到了以色列人那里,便将这事回报他们。
Ary sitraky ny zanak'Isiraely izany, dia nisaotra an'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan'ny taranak'i Robena sy Gada.
以色列人以这事为美,就称颂 神,不再提上去攻打流便人、迦得人、毁坏他们所住的地了。
Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
流便人、迦得人给坛起名叫证坛,意思说:这坛在我们中间证明耶和华是 神。