Jonah 3

Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话二次临到约拿说:
Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
「你起来!往尼尼微大城去,向其中的居民宣告我所吩咐你的话。」
Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana.
约拿便照耶和华的话起来,往尼尼微去。这尼尼微是极大的城,有三日的路程。
Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.
约拿进城走了一日,宣告说:「再等四十日,尼尼微必倾覆了!」
Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely.
尼尼微人信服 神,便宣告禁食,从最大的到至小的都穿麻衣(或译:披上麻布)。
Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona.
这信息传到尼尼微王的耳中,他就下了宝座,脱下朝服,披上麻布,坐在灰中。
Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
他又使人遍告尼尼微通城,说:「王和大臣有令,人不可尝什么,牲畜、牛羊不可吃草,也不可喝水。
Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
人与牲畜都当披上麻布;人要切切求告 神。各人回头离开所行的恶道,丢弃手中的强暴。
Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
或者 神转意后悔,不发烈怒,使我们不致灭亡,也未可知。」
Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
于是 神察看他们的行为,见他们离开恶道,他就后悔,不把所说的灾祸降与他们了。