Jonah 2

Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
约拿在鱼腹中祷告耶和华─他的 神,
Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
说:我遭遇患难求告耶和华,你就应允我;从阴间的深处呼求,你就俯听我的声音。
ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.
你将我投下深渊,就是海的深处;大水环绕我,你的波浪洪涛都漫过我身。
Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
我说:我从你眼前虽被驱逐,我仍要仰望你的圣殿。
Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
诸水环绕我,几乎淹没我;深渊围住我;海草缠绕我的头。
Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
我下到山根,地的门将我永远关住。耶和华─我的 神啊,你却将我的性命从坑中救出来。
Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
我心在我里面发昏的时候,我就想念耶和华。我的祷告进入你的圣殿,达到你的面前。
Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
那信奉虚无之神的人,离弃怜爱他们的主;
Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
但我必用感谢的声音献祭与你。我所许的愿,我必偿还。救恩出于耶和华。
Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
耶和华吩咐鱼,鱼就把约拿吐在旱地上。