John 9

Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
耶稣过去的时候,看见一个人生来是瞎眼的。
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
门徒问耶稣说:拉比,这人生来是瞎眼的,是谁犯了罪?是这人呢?是他父母呢?
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
耶稣回答说:也不是这人犯了罪,也不是他父母犯了罪,是要在他身上显出 神的作为来。
Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
趁著白日,我们必须做那差我来者的工;黑夜将到,就没有人能做工了。
Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
我在世上的时候,是世上的光。
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
耶稣说了这话,就吐唾沫在地上,用唾沫和泥抹在瞎子的眼睛上,
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
对他说:你往西罗亚池子里去洗(西罗亚繙出来就是奉差遣)。他去一洗,回头就看见了。
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
他的邻舍和那素常见他是讨饭的,就说:这不是那从前坐著讨饭的人吗?
Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
有人说:是他;又有人说;不是,却是像他。他自己说:是我。
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?
他们对他说:你的眼睛是怎么开的呢?
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
他回答说:有一个人,名叫耶稣,他和泥抹我的眼睛,对我说:你往西罗亚池子去洗。我去一洗,就看见了。
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
他们说:那个人在那里?他说:我不知道。
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
他们把从前瞎眼的人带到法利赛人那里。
Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
耶稣和泥开他眼睛的日子是安息日。
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
法利赛人也问他是怎么得看见的。瞎子对他们说:他把泥抹在我的眼睛上,我去一洗,就看见了。
Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
法利赛人中有的说:这个人不是从 神来的,因为他不守安息日。又有人说:一个罪人怎能行这样的神迹呢?他们就起了纷争。
Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
他们又对瞎子说:他既然开了你的眼睛,你说他是怎样的人呢?他说:是个先知。
Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra
犹太人不信他从前是瞎眼,后来能看见的,等到叫了他的父母来,
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
问他们说:这是你们的儿子么?你们说他生来是瞎眼的,如今怎么能看见了呢?
Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
他父母回答说:他是我们的儿子,生来就瞎眼,这是我们知道的。
fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
至于他如今怎么能看见,我们却不知道;是谁开了他的眼睛,我们也不知道。他已经成了人,你们问他吧,他自己必能说。
Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
他父母说这话,是怕犹太人;因为犹太人已经商议定了,若有认耶稣是基督的,要把他赶出会堂。
Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
因此他父母说:他已经成了人,你们问他吧。
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
所以法利赛人第二次叫了那从前瞎眼的人来,对他说:你该将荣耀归给 神,我们知道这人是个罪人。
Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
他说:他是个罪人不是,我不知道;有一件事我知道,从前我是眼瞎的,如今能看见了。
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
他们就问他说:他向你做什么?是怎么开了你的眼睛呢?
Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
他回答说:我方才告诉你们,你们不听,为什么又要听呢?莫非你们也要作他的门徒么?
Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.
他们就骂他说:你是他的门徒;我们是摩西的门徒。
Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
 神对摩西说话是我们知道的;只是这个人,我们不知道他从那里来!
Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
那人回答说:他开了我的眼睛,你们竟不知道他从那里来,这真是奇怪!
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny..
我们知道 神不听罪人,惟有敬奉 神、遵行他旨意的, 神才听他。
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba.
从创世以来,未曾听见有人把生来是瞎子的眼睛开了。
Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
这人若不是从 神来的,什么也不能做。
Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
他们回答说:你全然生在罪孽中,还要教训我们吗?于是把他赶出去了。
Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
耶稣听说他们把他赶出去,后来遇见他,就说:你信 神的儿子吗?
Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
他回答说:主啊,谁是 神的儿子,叫我信他呢?
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
耶稣说:你已经看见他,现在和你说话的就是他。
Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
他说:主啊,我信!就拜耶稣。
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
耶稣说:我为审判到这世上来,叫不能看见的,可以看见;能看见的,反瞎了眼。
Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
同他在那里的法利赛人听见这话,就说:难道我们也瞎了眼吗?
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
耶稣对他们说:你们若瞎了眼,就没有罪了;但如今你们说我们能看见,所以你们的罪还在。