John 3

Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.
有一个法利赛人,名叫尼哥底母,是犹太人的官。
Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
这人夜里来见耶稣,说「拉比,我们知道你是由 神那来作师傅的;因为你所行的神迹,若没有 神同在,无人能行。」
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
耶稣回答说:「我实实在在地告诉你,人若不重生,就不能见 神的国。」
Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
尼哥底母说:「人已经老了,如何能重生呢?岂能再进母腹生出来吗?」
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
耶稣说:「我实实在在的告诉你,人若不是从水和圣灵生的,就不能进 神的国。
Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
从肉身生的就是肉身;从灵生的就是灵。
aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.
我说:『你们必须重生』,你不要以为希奇。
Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
风随著意思吹,你听见风的响声,却不晓得从那里来,往那里去;凡从圣灵生的,也是如此。」
Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
尼哥底母问他说:「怎能有这事呢?」
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
耶稣回答说:「你是以色列人的先生,还不明白这事吗?
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
我实实在在的告诉你,我们所说的是我们知道的;我们所见证的是我们见过的;你们却不领受我们的见证。
Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
我对你们说地上的事,你们尚且不信,若说天上的事,如何能信呢?
Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra.
除了从天降下、仍旧在天的人子,没有人升过天。
Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
摩西在旷野怎样举蛇,人子也必照样被举起来,
mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
叫一切信他的都得永生(或作:叫一切信的人在他里面得永生)。
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
「 神爱世人,甚至将他的独生子赐给他们,叫一切信他的,不致灭亡,反得永生。
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
因为 神差他的儿子降世,不是要定世人的罪(或作:审判世人;下同),乃是要叫世人因他得救。
Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy.
信他的人,不被定罪;不信的人,罪已经定了,因为他不信 神独生子的名。
Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
光来到世间,世人因自己的行为是恶的,不爱光,倒爱黑暗,定他们的罪就是在此。
Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
凡作恶的便恨光,并不来就光,恐怕他的行为受责备。
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
但行真理的必来就光,要显明他所行的是靠 神而行。」
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
这事以后,耶稣和门徒到了犹太地,在那里居住,施洗。
Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
约翰在靠近撒冷的哀嫩也施洗;因为那里水多,众人都去受洗。
Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
(那时约翰还没有下在监里。)
Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana;
约翰的门徒和一个犹太人辩论洁净的礼,
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
就来见约翰,说:「拉比,从前同你在约旦河外、你所见证的那位,现在施洗,众人都往他那里去了。」
Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
约翰说:「若不是从天上赐的,人就不能得什么。
Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
我曾说:『我不是基督,是奉差遣在他前面的』,你们自己可以给我作见证。
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
娶新妇的就是新郎;新郎的朋友站著,听见新郎的声音就甚喜乐。故此,我这喜乐满足了。
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
他必兴旺,我必衰微。」
Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra;
「从天上来的是在万有之上;从地上来的是属乎地,他所说的也是属乎地。从天上来的是在万有之上。
koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
他将所见所闻的见证出来,只是没有人领受他的见证。
Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
那领受他见证的,就印上印,证明 神是真的。
Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
 神所差来的就说 神的话,因为 神赐圣灵给他是没有限量的。
Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
父爱子,已将万有交在他手里。
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
信子的人有永生;不信子的人得不著永生(原文作不得见永生), 神的震怒常在他身上。」