John 19

Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
当下彼拉多将耶稣鞭打了。
Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
兵丁用荆棘编作冠冕戴在他头上,给他穿上紫袍,
dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.
又挨近他,说:恭喜,犹太人的王啊!他们就用手掌打他。
Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
彼拉多又出来对众人说:我带他出来见你们,叫你们知道我查不出他有什么罪来。
Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
耶稣出来,戴著荆棘冠冕,穿著紫袍。彼拉多对他们说:你们看这个人!
Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
祭司长和差役看见他,就喊著说:钉他十字架!钉他十字架!彼拉多说:你们自己把他钉十字架吧!我查不出他有什么罪来。
Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
犹太人回答说:我们有律法,按那律法,他是该死的,因他以自己为 神的儿子。
Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
彼拉多听见这话,越发害怕,
dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
又进衙门,对耶稣说:你是那里来的?耶稣却不回答。
Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa?
彼拉多说:你不对我说话吗?你岂不知我有权柄释放你,也有权柄把你钉十字架吗?
Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
耶稣回答说:若不是从上头赐给你的,你就毫无权柄办我。所以,把我交给你的那人罪更重了。
Ary hatramin'izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara.
从此,彼拉多想要释放耶稣,无奈犹太人喊著说:你若释放这个人,就不是凯撒的忠臣(原文作朋友)。凡以自己为王的,就是背叛凯撒了。
Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin'ny teny Hebreo Gabata
彼拉多听见这话,就带耶稣出来,到了一个地方,名叫铺华石处,希伯来话叫厄巴大,就在那里坐堂。
ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
那日是预备逾越节的日子,约有午正。彼拉多对犹太人说:看哪,这是你们的王!
Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
他们喊著说:除掉他!除掉他!钉他在十字架上!彼拉多说:我可以把你们的王钉十字架吗?祭司长回答说:除了凯撒,我们没有王。
Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy;
于是彼拉多将耶稣交给他们去钉十字架。
ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota.
他们就把耶稣带了去。耶稣背著自己的十字架出来,到了一个地方,名叫髑髅地,希伯来话叫各各他。
Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
他们就在那里钉他在十字架上,还有两个人和他一同钉著,一边一个,耶稣在中间。
Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.
彼拉多又用牌子写了一个名号,安在十字架上,写的是:犹太人的王,拿撒勒人耶稣。
Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
有许多犹太人念这名号;因为耶稣被钉十字架的地方与城相近,并且是用希伯来、罗马、希腊三样文字写的。
Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.
犹太人的祭司长就对彼拉多说:不要写犹太人的王,要写他自己说:我是犹太人的王。
Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
彼拉多说:我所写的,我已经写上了。
Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
兵丁既然将耶稣钉在十字架上,就拿他的衣服分为四分,每兵一分;又拿他的里衣,这件里衣原来没有缝儿,是上下一片织成的。
Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila.
他们就彼此说:我们不要撕开,只要拈阄,看谁得著。这要应验经上的话说:他们分了我的外衣,为我的里衣拈阄。兵丁果然做了这事。
Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena.
站在耶稣十字架旁边的,有他母亲与他母亲的姊妹,并革罗罢的妻子马利亚,和抹大拉的马利亚。
Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
耶稣见母亲和他所爱的那门徒站在旁边,就对他母亲说:母亲(原文作妇人),看,你的儿子!
Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
又对那门徒说:看,你的母亲!从此,那门徒就接她到自己家里去了。
Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
这事以后,耶稣知道各样的事已经成了,为要使经上的话应验,就说:我渴了。
Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny vavany.
有一个器皿盛满了醋,放在那里;他们就拿海绒蘸满了醋,绑在牛膝草上,送到他口。
Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
耶稣尝(原文作受)了那醋,就说:成了!便低下头,将灵魂交付 神了。
Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
犹太人因这日是预备日,又因那安息日是个大日,就求彼拉多叫人打断他们的腿,把他们拿去,免得尸首当安息日留在十字架上。
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana.
于是兵丁来,把头一个人的腿,并与耶稣同钉第二个人的腿,都打断了。
Fa nony nankeo amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
只是来到耶稣那里,见他已经死了,就不打断他的腿。
Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha.
惟有一个兵拿枪扎他的肋旁,随即有血和水流出来。
Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
看见这事的那人就作见证─他的见证也是真的,并且他知道自己所说的是真的─叫你们也可以信。
Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12. 46; Sal. 34. 20).
这些事成了,为要应验经上的话说:他的骨头一根也不可折断。
Ary hoy koa ny teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).
经上又有一句说:他们要仰望自己所扎的人。
Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.
这些事以后,有亚利马太人约瑟,是耶稣的门徒,只因怕犹太人,就暗暗的作门徒。他来求彼拉多,要把耶稣的身体领去。彼拉多允准,他就把耶稣的身体领去了。
Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
又有尼哥底母,就是先前夜里去见耶稣的,带著没药和沉香约有一百斤前来。
Dia noraisiny ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin'ny zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
他们就照犹太人殡葬的规矩,把耶稣的身体用细麻布加上香料裹好了。
Ary nisy saha teo amin'ilay nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana; ary teo anatin'ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
在耶稣钉十字架的地方有一个园子,园子里有一座新坟墓,是从来没有葬过人的。
Ary teo no nandevenany an'i Jesosy noho ny andro fiomanan'ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
只因是犹太人的预备日,又因那坟墓近,他们就把耶稣安放在那里。