John 11

Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
有一个患病的人,名叫拉撒路,住在伯大尼,就是马利亚和她姊姊马大的村庄。
Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
这马利亚就是那用香膏抹主,又用头发擦他脚的;患病的拉撒路是他的兄弟。
Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
她姊妹两个就打发人去见耶稣,说:主啊,你所爱的人病了。
Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.
耶稣听见,就说:这病不至于死,乃是为 神的荣耀,叫 神的儿子因此得荣耀。
Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
耶稣素来爱马大和她妹子并拉撒路。
Koa nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.
听见拉撒路病了。就在所居之地仍住了两天。
Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
然后对门徒说:我们再往犹太去吧。
Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
门徒说:拉比,犹太人近来要拿石头打你,你还往那里去吗?
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
耶稣回答说:白日不是有十二小时吗?人在白日走路,就不至跌倒,因为看见这世上的光。
Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
若在黑夜走路,就必跌倒,因为他没有光。
Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
耶稣说了这话,随后对他们说:我们的朋友拉撒路睡了,我去叫醒他。
Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.
门徒说:主啊,他若睡了,就必好了。
Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
耶稣这话是指著他死说的,他们却以为是说照常睡了。
Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
耶稣就明明的告诉他们说:拉撒路死了。
ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
我没有在那里就欢喜,这是为你们的缘故,好叫你们相信。如今我们可以往他那里去吧。
Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
多马,又称为低土马,就对那同作门徒的说:我们也去和他同死吧。
Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
耶稣到了,就知道拉撒路在坟墓里已经四天了。
Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio no elanelany.
伯大尼离耶路撒冷不远,约有六里路。
Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.
有好些犹太人来看马大和马利亚,要为她们的兄弟安慰她们。
Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
马大听见耶稣来了,就出去迎接他;马利亚却仍然坐在家里。
Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
马大对耶稣说:主啊,你若早在这里,我兄弟必不死。
Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
就是现在,我也知道,你无论向 神求什么, 神也必赐给你。
Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
耶稣说:你兄弟必然复活。
Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany;
马大说:我知道在末日复活的时候,他必复活。
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
耶稣对她说:复活在我,生命也在我。信我的人虽然死了,也必复活,
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
凡活著信我的人必永远不死。你信这话吗?
Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
马大说:主啊,是的,我信你是基督,是 神的儿子,就是那要临到世界的。
Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
马大说了这话,就回去暗暗的叫她妹子马利亚,说:夫子来了,叫你。
Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
马利亚听见了,就急忙起来,到耶稣那里去。
Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
那时,耶稣还没有进村子,仍在马大迎接他的地方。
Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
那些同马利亚在家里安慰她的犹太人,见她急忙起来出去,就跟著她,以为她要往坟墓那里去哭。
Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
马利亚到了耶稣那里,看见他,就俯伏在他脚前,说:主啊,你若早在这里,我兄弟必不死。
Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
耶稣看见她哭,并看见与她同来的犹太人也哭,就心里悲叹,又甚忧愁,
ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
便说:你们把他安放在那里?他们回答说:请主来看。
Jesosy nitomany.
耶稣哭了。
Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
犹太人就说:你看他爱这人是何等恳切。
Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
其中有人说:他既然开了瞎子的眼睛,岂不能叫这人不死吗?
Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
耶稣又心里悲叹,来到坟墓前;那坟墓是个洞,有一块石头挡著。
Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
耶稣说:你们把石头挪开。那死人的姊姊马大对他说:主啊,他现在必是臭了,因为他死了已经四天了。
Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
耶稣说:我不是对你说过,你若信,就必看见 神的荣耀吗?
Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
他们就把石头挪开。耶稣举目望天,说:父啊,我感谢你,因为你已经听我。
Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
我也知道你常听我,但我说这话是为周围站著的众人,叫他们信是你差了我来。
Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
说了这话,就大声呼叫说:拉撒路出来!
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
那死人就出来了,手脚裹著布,脸上包著手巾。耶稣对他们说,解开,叫他走!
Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
那些来看马利亚的犹太人见了耶稣所做的事,就多有信他的;
Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
但其中也有去见法利赛人的,将耶稣所做的事告诉他们。
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
祭司长和法利赛人聚集公会,说:这人行好些神迹,我们怎么办呢?
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
若这样由著他,人人都要信他,罗马人也要来夺我们的地土和我们的百姓。
Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
内中有一个人,名叫该亚法,本年作大祭司,对他们说:你们不知道什么。
na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
独不想一个人替百姓死,免得通国灭亡,就是你们的益处。
Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
他这话不是出于自己,是因他本年作大祭司,所以预言耶稣将要替这一国死;
ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
也不但替这一国死,并要将 神四散的子民都聚集归一。
Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
从那日起,他们就商议要杀耶稣。
Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.
所以,耶稣不再显然行在犹太人中间,就离开那里往靠近旷野的地方去,到了一座城,名叫以法莲,就在那里和门徒同住。
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
犹太人的逾越节近了,有许多人从乡下上耶路撒冷去,要在节前洁净自己。
Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
他们就寻找耶稣,站在殿里彼此说:你们的意思如何,他不来过节吗?
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
那时,祭司长和法利赛人早已吩咐说,若有人知道耶稣在那里,就要报明,好去拿他。