Job 6

Dia namaly Joba ka nanao hoe:
约伯回答说:
Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
惟愿我的烦恼称一称,我一切的灾害放在天平里;
Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
现今都比海沙更重,所以我的言语急躁。
Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
因全能者的箭射入我身;其毒,我的灵喝尽了; 神的惊吓摆阵攻击我。
Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
野驴有草岂能叫唤?牛有料岂能吼叫?
Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody?
物淡而无盐岂可吃么?蛋青有什么滋味呢?
Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
看为可厌的食物,我心不肯挨近。
Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
惟愿我得著所求的,愿 神赐我所切望的;
Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
就是愿 神把我压碎,伸手将我剪除。
Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
我因没有违弃那圣者的言语,就仍以此为安慰,在不止息的痛苦中还可踊跃。
Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?
我有什么气力使我等候?我有什么结局使我忍耐?
Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
我的气力岂是石头的气力?我的肉身岂是铜的呢?
Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
在我岂不是毫无帮助吗?智慧岂不是从我心中赶出净尽吗?
Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
那将要灰心、离弃全能者、不敬畏 神的人,他的朋友当以慈爱待他。
Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
我的弟兄诡诈,好像溪水,又像溪水流干的河道。
Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
这河因结冰发黑,有雪藏在其中;
Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
天气渐暖就随时消化,日头炎热便从原处干涸。
Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
结伴的客旅离弃大道,顺河偏行,到荒野之地死亡。
Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
提玛结伴的客旅瞻望;示巴同伙的人等候。
Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
他们因失了盼望就抱愧,来到那里便蒙羞。
Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
现在你们正是这样,看见惊吓的事便惧怕。
Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
我岂说:请你们供给我,从你们的财物中送礼物给我?
Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
岂说:拯救我脱离敌人的手吗?救赎我脱离强暴人的手吗?
Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
请你们教导我,我便不作声;使我明白在何事上有错。
Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
正直的言语力量何其大!但你们责备是责备什么呢?
Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
绝望人的讲论既然如风,你们还想要驳正言语吗?
Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
你们想为孤儿拈阄,以朋友当货物。
Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
现在请你们看看我,我决不当面说谎。
Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
请你们转意,不要不公;请再转意,我的事有理。
Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
我的舌上岂有不义吗?我的口里岂不辨奸恶吗?