Job 42

Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
约伯回答耶和华说:
Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
我知道,你万事都能做;你的旨意不能拦阻。
Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
谁用无知的言语使你的旨意隐藏呢?我所说的是我不明白的;这些事太奇妙,是我不知道的。
Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
求你听我,我要说话;我问你,求你指示我。
Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
我从前风闻有你,现在亲眼看见你。
Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
因此我厌恶自己(或译:我的言语),在尘土和炉灰中懊悔。
Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
耶和华对约伯说话以后,就对提幔人以利法说:「我的怒气向你和你两个朋友发作,因为你们议论我不如我的仆人约伯说的是。
Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
现在你们要取七只公牛,七只公羊,到我仆人约伯那里去,为自己献上燔祭,我的仆人约伯就为你们祈祷。我因悦纳他,就不按你们的愚妄办你们。你们议论我,不如我的仆人约伯说的是。」
Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
于是提幔人以利法、书亚人比勒达、拿玛人琐法照著耶和华所吩咐的去行;耶和华就悦纳约伯。
Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
约伯为他的朋友祈祷。耶和华就使约伯从苦境(原文是掳掠)转回,并且耶和华赐给他的比他从前所有的加倍。
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
约伯的弟兄、姊妹,和以先所认识的人都来见他,在他家里一同吃饭;又论到耶和华所降与他的一切灾祸,都为他悲伤安慰他。每人也送他一块银子和一个金环。
Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
这样,耶和华后来赐福给约伯比先前更多。他有一万四千羊,六千骆驼,一千对牛,一千母驴。
Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
他也有七个儿子,三个女儿。
ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
他给长女起名叫耶米玛,次女叫基洗亚,三女叫基连哈朴。
Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
在那全地的妇女中找不著像约伯的女儿那样美貌。她们的父亲使她们在弟兄中得产业。
Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.
此后,约伯又活了一百四十年,得见他的儿孙,直到四代。
Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.
这样,约伯年纪老迈,日子满足而死。