Job 40

Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
耶和华又对约伯说:
Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
强辩的岂可与全能者争论吗?与 神辩驳的可以回答这些吧!
Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
于是,约伯回答耶和华说:
Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
我是卑贱的!我用什么回答你呢?只好用手摀口。
Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
我说了一次,再不回答;说了两次,就不再说。
Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
于是,耶和华从旋风中回答约伯说:
Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
你要如勇士束腰;我问你,你可以指示我。
Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
你岂可废弃我所拟定的?岂可定我有罪,好显自己为义吗?
Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
你有 神那样的膀臂吗?你能像他发雷声吗?
Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
你要以荣耀庄严为妆饰,以尊荣威严为衣服;
Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
要发出你满溢的怒气,见一切骄傲的人,使他降卑;
Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
见一切骄傲的人,将他制伏,把恶人践踏在本处;
Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
将他们一同隐藏在尘土中,把他们的脸蒙蔽在隐密处;
Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
我就认你右手能以救自己。
He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
你且观看河马;我造你也造牠。牠吃草与牛一样;
Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
牠的气力在腰间,能力在肚腹的筋上。
Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
牠摇动尾巴如香柏树;牠大腿的筋互相联络。
Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
牠的骨头好像铜管;牠的肢体彷彿铁棍。
Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
牠在 神所造的物中为首;创造牠的给牠刀剑。
Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
诸山给牠出食物,也是百兽游玩之处。
Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
牠伏在莲叶之下,卧在芦苇隐密处和水洼子里。
Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
莲叶的阴凉遮蔽牠;溪旁的柳树环绕牠。
Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
河水泛滥,牠不发战;就是约旦河的水涨到牠口边,也是安然。
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va? Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka? Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana? Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao? Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy? Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao? Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto? Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany? Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
在牠防备的时候,谁能捉拿牠?谁能牢笼牠穿牠的鼻子呢?