Job 4

Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
提幔人以利法回答说:
Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
人若想与你说话,你就厌烦吗?但谁能忍住不说呢?
Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
你素来教导许多的人,又坚固软弱的手。
Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
你的言语曾扶助那将要跌倒的人;你又使软弱的膝稳固。
Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
但现在祸患临到你,你就昏迷,挨近你,你便惊惶。
Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao?
你的倚靠不是在你敬畏 神吗?你的盼望不是在你行事纯正吗?
Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
请你追想:无辜的人有谁灭亡?正直的人在何处剪除?
Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
按我所见,耕罪孽、种毒害的人都照样收割。
Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
 神一出气,他们就灭亡; 神一发怒,他们就消没。
Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
狮子的吼叫和猛狮的声音尽都止息;少壮狮子的牙齿也都敲掉。
Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
老狮子因绝食而死;母狮之子也都离散。
Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
我暗暗地得了默示;我耳朵也听其细微的声音。
Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
在思念夜中、异象之间,世人沉睡的时候,
Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
恐惧、战兢临到我身,使我百骨打战。
Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
有灵从我面前经过,我身上的毫毛直立。
Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
那灵停住,我却不能辨其形状;有影像在我眼前。我在静默中听见有声音说:
Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
必死的人岂能比 神公义吗?人岂能比造他的主洁净吗?
Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
主不信靠他的臣仆,并且指他的使者为愚昧;
Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;
何况那住在土房、根基在尘土里、被蠹虫所毁坏的人呢?
Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
早晚之间,就被毁灭,永归无有,无人理会。
Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
他帐棚的绳索岂不从中抽出来呢?他死,且是无智慧而死。