Job 37

Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
因此我心战兢,从原处移动。
Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
听啊, 神轰轰的声音是他口中所发的响声。
Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.
他发响声震遍天下,发电光闪到地极。
Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
随后人听见有雷声轰轰,大发威严,雷电接连不断。
Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
 神发出奇妙的雷声;他行大事,我们不能测透。
Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
他对雪说:要降在地上;对大雨和暴雨也是这样说。
Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
他封住各人的手,叫所造的万人都晓得他的作为。
Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
百兽进入穴中,卧在洞内。
Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
暴风出于南宫;寒冷出于北方。
Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
 神嘘气成冰;宽阔之水也都凝结。
Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;
他使密云盛满水气,布散电光之云;
Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,
这云是借他的指引游行旋转,得以在全地面上行他一切所吩咐的,
Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
或为责罚,或为润地,或为施行慈爱。
Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
约伯啊,你要留心听,要站立思想 神奇妙的作为。
Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
 神如何吩咐这些,如何使云中的电光照耀,你知道吗?
Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
云彩如何浮于空中,那知识全备者奇妙的作为,你知道吗?
Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
南风使地寂静,你的衣服就如火热,你知道吗?
Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
你岂能与 神同铺穹苍吗?这穹苍坚硬,如同铸成的镜子。
Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
我们愚昧不能陈说;请你指教我们该对他说什么话。
Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
人岂可说:我愿与他说话?岂有人自愿灭亡吗?
Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
现在有云遮蔽,人不得见穹苍的光亮;但风吹过,天又发晴。
Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
金光出于北方,在 神那里有可怕的威严。
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
论到全能者,我们不能测度;他大有能力,有公平和大义,必不苦待人。
Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
所以,人敬畏他;凡自以为心中有智慧的人,他都不顾念。