Job 36

Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
以利户又接著说:
Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
你再容我片时,我就指示你,因我还有话为 神说。
Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
我要将所知道的从远处引来,将公义归给造我的主。
Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
我的言语真不虚谎;有知识全备的与你同在。
Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
 神有大能,并不藐视人;他的智慧甚广。
Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
他不保护恶人的性命,却为困苦人伸冤。
Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
他时常看顾义人,使他们和君王同坐宝座,永远要被高举。
Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
他们若被锁鍊捆住,被苦难的绳索缠住,
Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
他就把他们的作为和过犯指示他们,叫他们知道有骄傲的行动。
Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
他也开通他们的耳朵得受教训,吩咐他们离开罪孽转回。
Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
他们若听从事奉他,就必度日亨通,历年福乐;
Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
若不听从,就要被刀杀灭,无知无识而死。
Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
那心中不敬虔的人积蓄怒气; 神捆绑他们,他们竟不求救;
Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta,
必在青年时死亡,与污秽人一样丧命。
Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
 神借著困苦救拔困苦人,趁他们受欺压开通他们的耳朵。
Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
 神也必引你出离患难,进入宽阔不狭窄之地;摆在你席上的必满有肥甘。
Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
但你满口有恶人批评的言语;判断和刑罚抓住你。
Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
不可容忿怒触动你,使你不服责罚;也不可因赎价大就偏行。
Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
你的呼求(或译:资财),或是你一切的势力,果有灵验,叫你不受患难吗?
Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
不要切慕黑夜,就是众民在本处被除灭的时候。
Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
你要谨慎,不可重看罪孽,因你选择罪孽过于选择苦难。
Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
 神行事有高大的能力;教训人的有谁像他呢?
Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
谁派定他的道路?谁能说:你所行的不义?
Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
你不可忘记称讚他所行的为大,就是人所歌颂的。
Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
他所行的,万人都看见;世人也从远处观看。
Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
 神为大,我们不能全知;他的年数不能测度。
Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
他吸取水点,这水点从云雾中就变成雨;
Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
云彩将雨落下,沛然降与世人。
Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
谁能明白云彩如何铺张,和 神行宫的雷声呢?
Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
他将亮光普照在自己的四围;他又遮覆海底。
Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
他用这些审判众民,且赐丰富的粮食。
Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
他以电光遮手,命闪电击中敌人(或译:中了靶子)。
Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
所发的雷声显明他的作为,又向牲畜指明要起暴风。