Job 35

Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
以利户又说:
Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
你以为有理,或以为你的公义胜于 神的公义,
Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako?
才说这与我有什么益处?我不犯罪比犯罪有什么好处呢?
Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
我要回答你和在你这里的朋友。
Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
你要向天观看,瞻望那高于你的穹苍。
Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
你若犯罪,能使 神受何害呢?你的过犯加增,能使 神受何损呢?
Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
你若是公义,还能加增他什么呢?他从你手里还接受什么呢?
Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
你的过恶或能害你这类的人;你的公义或能叫世人得益处。
Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
人因多受欺压就哀求,因受能者的辖制(原文是膀臂)便求救,
Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
却无人说:造我的 神在哪里?他使人夜间歌唱,
Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
教训我们胜于地上的走兽,使我们有聪明胜于空中的飞鸟。
Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
他们在那里,因恶人的骄傲呼求,却无人答应。
Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
虚妄的呼求, 神必不垂听;全能者也必不眷顾。
Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
何况你说,你不得见他;你的案件在他面前,你等候他吧。
Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
但如今因他未曾发怒降罚,也不甚理会狂傲,
Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
所以约伯开口说虚妄的话,多发无知识的言语。