Job 29

Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
约伯又接著说:
Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
惟愿我的景况如从前的月份,如 神保守我的日子。
Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
那时他的灯照在我头上;我借他的光行过黑暗。
Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
我愿如壮年的时候:那时我在帐棚中, 神待我有密友之情;
Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
全能者仍与我同在;我的儿女都环绕我。
Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
奶多可洗我的脚;磐石为我出油成河。
Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
我出到城门,在街上设立座位;
Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
少年人见我而回避,老年人也起身站立;
Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
王子都停止说话,用手摀口;
Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
首领静默无声,舌头贴住上膛。
Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
耳朵听我的,就称我有福;眼睛看我的,便称讚我;
Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
因我拯救哀求的困苦人和无人帮助的孤儿。
Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.
将要灭亡的为我祝福;我也使寡妇心中欢乐。
Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
我以公义为衣服,以公平为外袍和冠冕。
Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
我为瞎子的眼,瘸子的脚。
Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
我为穷乏人的父;素不认识的人,我查明他的案件。
Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
我打破不义之人的牙床,从他牙齿中夺了所抢的。
Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
我便说:我必死在家中(原文是窝中),必增添我的日子,多如尘沙。
Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
我的根长到水边;露水终夜霑在我的枝上。
Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
我的荣耀在身上增新;我的弓在手中日强。
Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
人听见我而仰望,静默等候我的指教。
Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
我说话之后,他们就不再说;我的言语像雨露滴在他们身上。
Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
他们仰望我如仰望雨,又张开口如切慕春雨。
Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.
他们不敢自信,我就向他们含笑;他们不使我脸上的光改变。
Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
我为他们选择道路,又坐首位;我如君王在军队中居住,又如吊丧的安慰伤心的人。