Job 28

Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
银子有矿;炼金有方。
Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
铁从地里挖出;铜从石中镕化。
Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
人为黑暗定界限,查究幽暗阴翳的石头,直到极处,
Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
在无人居住之处刨开矿穴,过路的人也想不到他们;又与人远离,悬在空中摇来摇去。
Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
至于地,能出粮食,地内好像被火翻起来。
Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
地中的石头有蓝宝石,并有金沙。
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
矿中的路鸷鸟不得知道;鹰眼也未见过。
Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
狂傲的野兽未曾行过;猛烈的狮子也未曾经过。
Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
人伸手凿开坚石,倾倒山根,
Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
在磐石中凿出水道,亲眼看见各样宝物。
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
他封闭水不得滴流,使隐藏的物显露出来。
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
然而,智慧有何处可寻?聪明之处在哪里呢?
Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
智慧的价值无人能知,在活人之地也无处可寻。
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
深渊说:不在我内;沧海说:不在我中。
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
智慧非用黄金可得,也不能平白银为它的价值。
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
俄斐金和贵重的红玛瑙,并蓝宝石,不足与较量;
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
黄金和玻璃不足与比较;精金的器皿不足与兑换。
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
珊瑚、水晶都不足论;智慧的价值胜过珍珠(或译:红宝石)。
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
古实的红璧玺不足与比较;精金也不足与较量。
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
智慧从何处来呢?聪明之处在哪里呢?
Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
是向一切有生命的眼目隐藏,向空中的飞鸟掩蔽。
Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
灭没和死亡说:我们风闻其名。
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
 神明白智慧的道路,晓得智慧的所在。
Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
因他鉴察直到地极,遍观普天之下,
Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
要为风定轻重,又度量诸水;
Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
他为雨露定命令,为雷电定道路。
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
那时他看见智慧,而且述说;他坚定,并且查究。
Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
他对人说:敬畏主就是智慧;远离恶便是聪明。