Job 21

Dia namaly Joba ka nanao hoe:
约伯回答说:
Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
你们要细听我的言语,就算是你们安慰我。
Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
请宽容我,我又要说话;说了以后,任凭你们嗤笑吧!
Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
我岂是向人诉冤?为何不焦急呢?
Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
你们要看著我而惊奇,用手摀口。
Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
我每逢思想,心就惊惶,浑身战兢。
Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
恶人为何存活,享大寿数,势力强盛呢?
Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
他们眼见儿孙,和他们一同坚立。
Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
他们的家宅平安无惧; 神的杖也不加在他们身上。
Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
他们的公牛孳生而不断绝;母牛下犊而不掉胎。
Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
他们打发小孩子出去,多如羊群;他们的儿女踊跃跳舞。
Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
他们随著琴鼓歌唱,又因箫声欢喜。
Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita.
他们度日诸事亨通,转眼下入阴间。
Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
他们对 神说:离开我们吧!我们不愿晓得你的道。
Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
全能者是谁,我们何必事奉他呢?求告他有什么益处呢?
Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
看哪,他们亨通不在乎自己;恶人所谋定的离我好远。
Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany,
恶人的灯何尝熄灭?患难何尝临到他们呢? 神何尝发怒,向他们分散灾祸呢?
Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
他们何尝像风前的碎秸,如暴风刮去的糠秕呢?
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
你们说: 神为恶人的儿女积蓄罪孽;我说:不如本人受报,好使他亲自知道。
Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
愿他亲眼看见自己败亡,亲自饮全能者的忿怒。
Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
他的岁月既尽,他还顾他本家吗?
Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
 神既审判那在高位的,谁能将知识教训他呢?
Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
有人至死身体强壮,尽得平靖安逸;
Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany.
他的奶桶充满,他的骨髓滋润。
Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
有人至死心中痛苦,终身未尝福乐的滋味;
Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
他们一样躺卧在尘土中,都被虫子遮盖。
Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
我知道你们的意思,并诬害我的计谋。
Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy?
你们说:霸者的房屋在哪里?恶人住过的帐棚在哪里?
Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe:
你们岂没有询问过路的人吗?不知道他们所引的证据吗?
Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
就是恶人在祸患的日子得存留,在发怒的日子得逃脱。
Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy?
他所行的,有谁当面给他说明;他所做的,有谁报应他呢?
Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana;
然而他要被抬到茔地;并有人看守坟墓。
Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.
他要以谷中的土块为甘甜;在他以先去的无数,在他以后去的更多。
Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
你们对答的话中既都错谬,怎么徒然安慰我呢?