Job 18

Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
书亚人比勒达回答说:
Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
你寻索言语要到几时呢?你可以揣摩思想,然后我们就说话。
Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
我们为何算为畜生,在你眼中看作污秽呢?
Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
你这恼怒将自己撕裂的,难道大地为你见弃、磐石挪开原处吗?
Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
恶人的亮光必要熄灭;他的火焰必不照耀。
Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
他帐棚中的亮光要变为黑暗;他以上的灯也必熄灭。
Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
他坚强的脚步必见狭窄;自己的计谋必将他绊倒。
Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
因为他被自己的脚陷入网中,走在缠人的网罗上。
Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
圈套必抓住他的脚跟;机关必擒获他。
Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
活扣为他藏在土内;羁绊为他藏在路上。
Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
四面的惊吓要使他害怕,并且追赶他的脚跟。
Liana azy ny loza, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
他的力量必因饥饿衰败;祸患要在他旁边等候。
Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
他本身的肢体要被吞吃;死亡的长子要吞吃他的肢体。
Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
他要从所倚靠的帐棚被拔出来,带到惊吓的王那里。
Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
不属他的必住在他的帐棚里;硫磺必撒在他所住之处。
Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka ny rantsany eo ambony.
下边,他的根本要枯干;上边,他的枝子要剪除。
Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
他的记念在地上必然灭亡;他的名字在街上也不存留。
Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
他必从光明中被撵到黑暗里,必被赶出世界。
Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
在本民中必无子无孙;在寄居之地也无一人存留。
Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
以后来的要惊奇他的日子,好像以前去的受了惊骇。
Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
不义之人的住处总是这样;此乃不认识 神之人的地步。