Job 13

Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
这一切,我眼都见过;我耳都听过,而且明白。
Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
你们所知道的,我也知道,并非不及你们。
Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
我真要对全能者说话;我愿与 神理论。
Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
你们是编造谎言的,都是无用的医生。
Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
惟愿你们全然不作声;这就算为你们的智慧!
Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
请你们听我的辩论,留心听我口中的分诉。
Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
你们要为 神说不义的话吗?为他说诡诈的言语吗?
Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
你们要为 神徇情吗?要为他争论吗?
Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
他查出你们来,这岂是好吗?人欺哄人,你们也要照样欺哄他吗?
Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
你们若暗中徇情,他必要责备你们。
Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
他的尊荣岂不叫你们惧怕吗?他的惊吓岂不临到你们吗?
Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
你们以为可记念的箴言是炉灰的箴言;你们以为可靠的坚垒是淤泥的坚垒。
Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
你们不要作声,任凭我吧!让我说话,无论如何我都承当。
Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
我何必把我的肉挂在牙上,将我的命放在手中。
Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
他必杀我;我虽无指望,然而我在他面前还要辩明我所行的。
Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
这要成为我的拯救,因为不虔诚的人不得到他面前。
Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
你们要细听我的言语,使我所辩论的入你们的耳中。
Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
我已陈明我的案,知道自己有义。
Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
有谁与我争论,我就情愿缄默不言,气绝而亡。
Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
惟有两件不要向我施行,我就不躲开你的面:
Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
就是把你的手缩回,远离我身;又不使你的惊惶威吓我。
Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
这样,你呼叫,我就回答;或是让我说话,你回答我。
Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
我的罪孽和罪过有多少呢?求你叫我知道我的过犯与罪愆。
Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
你为何掩面、拿我当仇敌呢?
Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
你要惊动被风吹的叶子吗?要追赶枯干的碎秸吗?
Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
你按罪状刑罚我,又使我担当幼年的罪孽;
Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.
也把我的脚上了木狗,并窥察我一切的道路,为我的脚掌划定界限。
Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
我已经像灭绝的烂物,像虫蛀的衣裳。