Job 12

Dia namaly Joba ka nanao hoe:
约伯回答说:
Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
你们真是子民哪,你们死亡,智慧也就灭没了。
Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
但我也有聪明,与你们一样,并非不及你们。你们所说的,谁不知道呢?
Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
我这求告 神、蒙他应允的人竟成了朋友所讥笑的;公义完全人竟受了人的讥笑。
Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa.
安逸的人心里藐视灾祸;这灾祸常常等待滑脚的人。
Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
强盗的帐棚兴旺,惹 神的人稳固, 神多将财物送到他们手中。
Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
你且问走兽,走兽必指教你;又问空中的飞鸟,飞鸟必告诉你;
Ary makà saina amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
或与地说话,地必指教你;海中的鱼也必向你说明。
Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,
看这一切,谁不知道是耶和华的手做成的呢?
Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
凡活物的生命和人类的气息都在他手中。
Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
耳朵岂不试验言语,正如上膛尝食物吗?
Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
年老的有智慧;寿高的有知识。
Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
在 神有智慧和能力;他有谋略和知识。
Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
他拆毁的,就不能再建造;他捆住人,便不得开释。
Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
他把水留住,水便枯干;他再发出水来,水就翻地。
Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
在他有能力和智慧,被诱惑的与诱惑人的都是属他。
Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
他把谋士剥衣掳去,又使审判官变成愚人。
Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
他放松君王的绑,又用带子捆他们的腰。
Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
他把祭司剥衣掳去,又使有能的人倾败。
Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
他废去忠信人的讲论,又夺去老人的聪明。
Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
他使君王蒙羞被辱,放松有力之人的腰带。
Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.
他将深奥的事从黑暗中彰显,使死荫显为光明。
Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
他使邦国兴旺而又毁灭;他使邦国开广而又掳去。
Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
他将地上民中首领的聪明夺去,使他们在荒废无路之地漂流;
Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
他们无光,在黑暗中摸索,又使他们东倒西歪,像醉酒的人一样。